Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 27 September 2024

Vakio ny IFM, toko 81: "Nitsangana ny Tompo", sy ny toko 86: `Mandehana any amin'ny firenena rehetra".

"Ho an'ny mino, dia fitsanganana amin'ny maty sy fiainana Kristy. Tafaverina ao amin'ny Mpamonjintsika ny fiainana izay very noho ny fahotana; manana fiainana ao Aminy izy mba hamelomana izay tiany. Nomena Azy ny zo hanolotra fiainana mandrakizay. Ny fiainana izay napetrany teo amin'ny maha-olombelona, dia raisiny indray ka homeny ny olombelona. lzaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be. Fa na iza na iza no misotro ny rano izay homeko azy dia tsy hangetaheta intsony mandrakizay fa ny rano izay homeko azy dia ho loharano miboiboika ao anatiny ho fiainana mandrakizay'. lzay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany.' —Jao. 10:10; 4:14; 6:54."

"Ho an'ny mino, dia zavatra kely ihany ny fahafatesana. Fotoana fohy no ilazan'i Kristy an ‘izany. 'Raha misy olona mitandrina ny teniko, dia tsy mba hahita fahafatesana izy mandrakizay'. Ho an'ny Kristiana, torimaso fotsiny ny fahafatesana, fotoana ao anatin'ny fanginana sy ny haizina. Ny fiainana dia miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra, ary raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin'ny voninahitra hianareo." — Jao. 8:51,52; Kôl. 3:4."— IFM, tt. 845,846.

Na ireo mpahay tantara tsy mino an'Andriamanitra aza, ireo izay tsy mety manaiky ny fahamarinan’ny fitsanganana amin'ny maty, dia miaiky fa novonoina tokoa i Jesôsy, ary tsy izany ihany fa taorian'ny fahafatesany dia marobe ny olona nilaza ho nahita an'i Kristy efa nitsangana tamin'ny maty. Dia toy izany no nanombohan'izy ireo naminavina ny fototra niaingan'ny fiangonana kristianina. Ny sasany miezaka manazava ny antony itorian'ny Kristianina izany amin'ny hoe: nanana rahalahy kambana taminy i Jesôsy ka nandroroa ny mason'ny mpianatra, nihevitra fa i Jesôsy no hitany. Ny hafa indray milaza fa tsy tena maty i Jesôsy fa torana fotsiny, ary avy eo novelomina taty aoriana. Ary nisy anankiray koa nilaza fa nisy mponina ivelan'ny tany naka ny fatin'i Jesôsy. [Azonao jerena ny ao amin'ny Risen: Finding Hope in the Empty Tomb, nosoratan'i Clifford Goldstein, (Empty Tomb (Nampa, Idaho: Pacific Press, 2021), ahitanao ny mombamomba ireo tohan-kevitra rehetra ireo, sy ny mahatonga izany tsy hitombina.] 

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Inona ny antony mety ho nandaingan’ny mpianatra momba ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty? Raha ny fantatsika hatreto aloha dia fankahalana, fanilikilihana, ary fanenjehana no nianjady tamin'ny mpianatra noho ny finoany. Inona ny mety ho tombontsoan'izy ireo amin'ny famoronana io tantara io?

2. Inona amin'ireo porofon'ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty no maharesy lahatra anao indrindra? Zarao ao amin'ny kilasy ny hevitrao.

3. Saintsaino ny amin'ny fanantenana lehibe atolotry ny fitsanganan'i Jesôsy amin'ny maty ho antsika. Vakio ny 1 Kôr. 15. Manao ahoana ny lanja omen'i Paoly ny fitsanganan'i Jesôsy tamin'ny maty.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal