Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 16 February 2024

Vakio "Ny ilan'ny mpanota an'i Kristy", toko faha-2 ao amin'ny DHK.

Miray feo mamerimberina ny hoe "Famandrakizay ny famindram-pony" ny olona ao amin'ny Salamo ho fankalazana ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay (Sal. 106:1; Sal. 107:1; Sal. 118:1-4, 29; Sal. 136). "Ny tsy fiderana an'Andriamanitra dia midika ho fanadinoana ireo fitahiany rehetra, ary koa tsy fankasitrahana ny fanomezana natolony. Ireo izay midera ihany no tsy manadino. Tsy mbola fiderana an'Andriamanitra ny fisaintsainana sy firesahana momba Azy. Ny fiderana mantsy dia miantomboka amin'ny fiaikena ny fiandrianan'Andriamanitra sy ny asany, ary amin'ny famaliana izany amin'ny fiderana ny fahatsarany sy ny famindram-pony ary ny fahendreny."- Hans LaRondelle, Deliverance in the Psalms, t. 178.

Vao mainka mihalalina ny hevitry ny fanambarana miezinezina momba ny famindram-pon'Andriamanitra mandrakizay rehefa tsaroantsika fa ny khesed avy amin'Andriamanitra, izany hoe ny famindram-pony araka ny fanekeny sy ny fahatokiany, dia mitoetra ary tsy miova na dia eo aza ny fahotan'ny olombelona sy ny fikomian'izy ireo.

"Nanota taminy isika, ka tsy mendrika ny fankasitrahany; nefa Izy mihitsy no nametraka tao amin'ny molotsika ity fangatahana mampihetsi-po indrindra ity: 'Noho ny amin'ny anaranao dia aza arianao izahay; aza atao tsinontsinona ny seza fiandrianan'ny voninahitrao; tsarovy ka aza tsoahina ny fanekenao taminay' - Jer. 14:21. Rehefa manatona Azy isika miaiky ny tsy fahamendrehantsika sy ny fahotantsika, dia mihaino ny fitarainantsika Izy. Nanao antoka ny voninahitry ny seza fiandrianany ho fanatanterahana ny teniny tamintsika Izy."- HF, tt. 120, 121, ed. 1984.

Ny fanandramana momba ny fanehoan'Andriamanitra ny fahasoavany taminy no nandrisika ilay mpanao Salamo hilaza fa "Jehovah manao fahamarinana Sy fitsarana amin'izay rehetra ampahorina."- Sal. 103:6. Araka izany, ny tanjon'ny fijoroana ho vavolombelon'ilay mpanao Salamo sy ny fiderany ny famindram-pon'Andriamanitra eo amin'ny fiainany dia ny hanome toky ny hafa fa mamindra fo Andriamanitra ka azon'izy ireo atao koa ny manokatra ny fony ho Azy sy handray ny fahasoavany mahavonjy ary hidera Azy (Sal. 9:11,12; Sal. 22:22-27; Sal. 66:16).

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Mandrakizay ny famindram-pon'Andriamanitra. Inona no hevitr'izany ho an'ny famonjena ny olona? Nahoana izany no tsy midika fa afaka manohy manota ny olona iray satria mandrakizay ny famindram- pon'Andriamanitra?
  2. Ahoana no hampifandraisantsika ny famelan' Andriamanitra ny helotsika sy ny fitsaran'Andriamanitra ny fahotantsika?
  3. Mifandraika ny filazana momba ny famindram-pon' Andriamanitra ao amin'ny TV sy ny an'ny Salamo. Amin'ny fomba ahoana? (Efes. 2:4,5; 1 Tim. 1:16; Tit. 3:5; Heb. 4:16).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal