Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 23 February 2024

Toa tsy dia tadiavin'ny olona loatra mihoatra noho ny fahasambarana ny fahendrena ankehitriny. Aleon'ny olona ho sambatra toy izay ho hendry. Mety ho sambatra sy ho afa-po marina ve isika kanefa tsy manana fahendrena avy any ambony? Mazava ny ambaran'ny Salamo fa tsia. Izao no vaovao mahafaly: tsy asaina misafidy amin'ireo roa ireo isika. Ny fahendrena avy amin'Andriamanitra mantsy no mitondra ny fahasambarana marina.

Misy ohatra tsotra iray avy amin'ny fiteny hebreo, afaka manazava izany hevitra izany. Ny teny hoe "dia" ('ashurey) dia saika mitovy amin'ny teny hoe "hasambarana" ('ashrey) amin'ny teny hebreo. Mampita hafatra lehibe izany, na dia tsy araka izany aza no hita amin'ny fitenintsika: ny "diantsika" eo amin'ny lalan'Andriamanitra dia mizotra ho amin'ny "fiainam-pahasambarana" (Sal. 1:1; Sal. 17:5; Sal. 37:31; Sal. 44:18; Sal. 89:15; Sal. 119:1). Ao amin'ny Baiboly, na ny fahendrena na ny fahasambarana dia tsy hevitra manjavozavo fa tena fanandramana iainana.

Ao amin'ny fifandraisana amin'Andriamanitra no ahitana azy ireo. Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 25:14: "Ny fisainan'i Jehovah asehony amin'izay matahotra Azy, ary ny fanekeny no hampahafantariny azy."

"Isaorana anie Andriamanitra, noho ireo sary mamirapiratra nasehony tamintsika. Aoka hangonintsika hatao am-pehezany ny fanomezan-tokim-pitiavany, mba hahazoantsika mijery izany lalandava: Ny Zanak'Andriamanitra nandao ny seza fiandrianan'ny Rainy, nitafy nofo mba hahazoany mamonjy ny olombelona amin'ny herin'i Satana; ny fandresena nataony ho antsika ka namohany ny lanitra ho an'ny olombelona, sy nampahitany antsika ny toerana izay anehoan'Andriamanitra ny voninahiny; ny zanak'olombelona lavo, nasandratra avy tamin'ny lavaky ny fahaverezana, izay nandentehan'ny ota ka nampiraisina indray amin'llay Andriamanitra tsy manam-petra, ary rehefa niaritra ny fitsapana amin'ny alalan'ny finoana ny Mpanavotra, dia nampitafiana ny fahamarinan'i Kristy, ka nasandratra eo amin'ny seza fiandrianany - izany no sary tian'Andriamanitra hobanjinintsika." - DHK, t. 133.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Ahoana no maha-loharanom-pifaliana ny Tenin'Andriamanitra fa tsy fampianarana fotsiny? Inona no ifandraisan'ny mivoky amin'ny Tenin'Andriamanitra sy ny mitoetra ao amin'i Jesôsy Kristy llay Teny (Jao. 1:1; Jao. 15:5,7)?
  2. Inonano mitranga rehefa minia mandà hatrany ny fampianaran'Andriamanitra ny olona (Sal. 81; Sal. 95)? Araka ny hevitrao, nahoana no izany no mitranga?
  3. Nahoana indraindray no toa manintona kokoa ny lalan'ny mpanao ratsy noho ny torohevitry ny marina? Izany hoe, raha ambinina amin'ny lalany ny ratsy fanahy matetika, ahoana no tokony handraisantsika izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal