Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 08 March 2024

Vakio ny Asa. 7 sy ny Heb. 11. Inona no ambaran'ny TV ho tanjon' Andriamanitra faratampony ao anatin'ny drafitra itondrany ny vahoakany eo amin'ny tantara?

Fanambarana mahery vaika ny Salamo tantara fa mahatoky amin'ny vahoakany Andriamanitra. Ny tranga tsirairay eo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra dia dingana eo amin'ny fitantanan'Andriamanitra ho amin'ny fahatanterahan'ny teny fikasany, dia ny amin'llay Mpamonjy nampanantenaina izao tontolo izao, i Jesôsy Kristy avy any Nazareta. Na ny fitsapana mahamay aza, izay matetika mahavery hevitra ny vahoakan'Andriamanitra sy mahatonga azy hihevitra fa nandao azy ireo Andriamanitra, dia mbola eo ambanin'ny fifehezan'Andriamanitra ihany, ary ao anatin'ny drafi-pitantanany aza, satria Izy no Tompon'ny tantara. Hain'ny mpanao Salamo erỳ ny maneho ity fahamarinana ity: tsy mahasakana an'Andriamanitra tsy hahatoky amin'ny vahoakany sy hanatanteraka ny teny fikasany na dia ny tsy fahatokian'izy ireo aza. Kanefa tsy manana anjara amin'ireo fitahian'ny fanekena kosa ireo izay tsy mety mibebaka, ary ny fiafarany mampalahelo dia fampitandremana farany fa mandringana ny olona ny fiainana tsy misy an'Andriamanitra na manohitra Azy.

"Tsy misy na inona na inona tokony hatahorantsika ny amin'ny hoavy, afa-tsy ny hanadinoantsika ny fomba nitarihan'ny Tompo antsika, sy ny fampianarany teo amin'ny tantarantsika hatrizay lasa izay" - LS, t. 196.
Manoro hevitra ny mpino koa i Ellen White mba hamaky ny Sal. 105 sy 106, "farafahakeliny indray mandeha isan-kerinandro." - TMGW, t. 98.

Hita porofo eo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra fa tsy misy tsy tanteraka ny teny fikasana rehetra nataon'Andriamanitra. Mihatra amin'ireo teny fikasany ankehitriny mikasika ny fombany ny isam-batan'olona izany, ary koa ny teny fikasany ny amin'ny hoavy, dia ny fiavian'i Kristy fanindroany, izay hametraka eo amin'ny tany vaovao ny fanjakam-pahamarinana sy fanjakam-piadanan'Andriamanitra.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Inona avy ireo fitahiana avy amin'ny fahatsiarovana ny fitantanan'Andriamanitra ny vahoakany tamin'ny fomba mahatoky teo amin'ny tantara? Inona no vokatry ny fanadinoantsika na ny fanaovantsika tsinontsinona ireo lesona avy amin'ny lasa? Ahoana no ahafahantsika mampihatra izany foto-kevitra izany amintsika, amin'ny maha-flangonana antsika, izay nantsoina ho amin'ny tanjona tahaka ny niantsoana ny Isiraely fahiny koa?
  2. Ahoana no andrisihan'ny Salamo antsika hahatsapa ny fiahian'Andriamanitra antsika eo amin'ny fiainana, arykoa hanam-paharetanasy hatoky ny fitantanan'Andriamanitra, na dia rehefa saro-takarina aza ny anton'ny toe-java-miseho?
  3. Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fandinihana ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra hanana toerana manan-danja eo amin'ny fivavahantsika, na isam-batan'olona na eo anivon'ny fiangonana? Ahoana no ahazoantsika mampitombo ny finiavantsika hilaza amin'ny zanatsika ny tantaran'ny vahoakan'. Andriamanitra farany, dia ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal