Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 29 March 2024

Vakio ny “Fitomboana ao amin’i Kristy", toko faha-8 ao min'ny DHK.

Antso feno hafanam-po mba hiandrasana an'i Jehvah no ataon'ny Salamo. “Miantombena tsara miandry an’i Jehovah ianao ka manantena Azy’ - Sal. 37:7. Raha mahatonga antsika havesatra entana sy misalasala ary manirery ny fiandrasana, dia tokony hotsarovantsika ireo mpianatra tamin’ny andro niakaran’i Jes6sy ho any an-danitra (Asa. 1:4-11). Nakarina ho any an-danitra teo imason'izy ireo i Jes6sy, faizy ireo kosa tavela teo miandry Azy hiverina amin'ny andro iray tsy fantatra amin’ny hoavy. Iza moa no nahatsapa faniriana nivaivay handray ny fitahian’Andriamanitra mihoatra noho ireo mpianatra tamin’io andro io? Azo antoka fa izao no faniriana lalina tao amin'izy ireo: “Tompo 6! Ento miaraka Aminao anio izahay.” Nomena toromarika anefa izy ireo mba hiandry ny teny fikasan’ny Ray sy hiandry ny fiverenan’i Jesésy. Ho gaga isika raha toa mihevitra fa feno fahakiviana sy fahadisoam-panantenana ireo mpianatra. Niverina nankany Jerosalema izy ireo ary nanao araka izay nasain’i Jesdsy nataony — niandry ny fanomezana ny Fanahy Masina izy ireo ary rehefa izay dia nitory ny filazantsara tamin-kery tany amin'izao tontolo izao (Asa. 1:12-14; Asa. 2)

Tey ho tanteraka ny baikon’Andriamanitra hiandrasana Azy raha tsy efa vitany ny asany ao anatintsika amin'ny alalan’ny Fanahy Masina. Tsy misy hafanam- pon’olombelona hahazaka ny tebiteby ateraky ny fiandrasana amin’ny tenantsika malemy. Zavatra iray ihany no hahavitantsika izany, dia ny fitoerana ao amin'i Jesosy Kristy, izany hoe, ny fananana fifandraisana manokana Aminy. "Koa raha mitoetra a0 am-pontsika i Kristy, dia Izy no hiasa ao anatintsika, ‘na ny fikasana, na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.’- Efes. 2:13. Hiasa tahaka ny niasany isika, ary hampiseho hafanam-po tahaka ny Azy. Koa amin'izany isika, noho ny fitiavana Azy sy ny fitoerana ao Aminy, dia ‘hitombo amin'ny zavatra rehetra ho amin'izay Loha, dia Kristy.” - DHK, t. 87. Rehefa manohy miandry an’i Jehévah isika, dia hahita fiadanana sy fifaliana ao amin'ny Salamo. Ny vavaka sy ny hira ataontsika dia e0 amin’izay ihaonan'ny fon’Andriamanitra sy ny fontsika isan’andro.

FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra

  1. Nahoana ny fiandrasana no misy heviny manan-danja eo amin'ny fiainantsika ara-panahy? Ifanakalozy hevitra ny fanandraman'ny sasany amin’ireo mahery fon'ny finoana ao amin'ny Baiboly mikasika ny fiandrasana. Ahoana no nanadiovan'ny flandrasana ny finoan'izy ireo sy ny nampahatanjahany izany? (R6m. 4:19-22; Heb. 11).
  2. Inona no faran'ny fiandrasantsika? (Sal. 37:34-40). Izany hoe, inona no ampanantenaina antsika rehefa tapitra ny zavatra rehetra? Inona ohatra ny fanantenana hitantsika ao amin’ireo andalan-teny ire, ny amin’ny rariny izay efa ela no tsy nanjaka teto amin'izao fiainana izao?
  3. Raha miresaka momba ny maty sy ny fanandraman’izy ireo, nahoana no vita amin'ny ampahany betsaka ny fiandrasan’izy ireo? Inona hy fanantenana azontsika tsoahina avy amin'ny valin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anjelin’i Jehôvah.
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny anaran’i Jehôvah.
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ireo fialan-tsiny efatra.
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ny famorana.
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Jul 2025
Lesona 3: FANOMBOHANA MANANO SAROTRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
Telovolana 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
Lesona 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal