Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 12 July 2024

Antso hoe: 'Avelao izahay; moa mifaninona akory izahay sy Hianao, ry Jesôsy avy any Nazareta? Avy handringana anay va Hianao? Fantatro fa llay Masin’Andriamanitra Hianao.'

Samy nikorontana sy taitra avokoa ny olona. Niala teo amin'i Kristy ny sain'ny vahoaka ka tsy nohenoina intsony ny teniny. Izany no fikasan'i Satana tamin'ny nitarihany io hazany io tao amin'ny Synagoga. Notenenin'i Jesôsy ary ilay demonia hoe: 'Mangina hianao, ka mivoaha aminy. Ary ny demonia nony namotraka azy teo afovoan'ny olona, dia nivoaka taminy, nefa tsy naharatra azy.' (...) Ilay efa naharesy an'i Satana tany an-efitry ny fakam-panahy no indro mifanatrika indray tamin'ny fahavalony. Nampiasa ny heriny rehetra ilay demonia hitana ao ambany fifehezany ilay hazany. Ny mitsoaka ady eto dia fanomezana ny fandresena an'i Jesôsy. (...) Niteny tamim-pahefana anefa ny Mpamonjy ka nahafaka ny babo." - IFM, tt. 259, 260.

Teo ankilan'izany, dia nisahana asa fanompoana maro tokoa i Jesôsy, nifindrafindra toerana Izy ary saiky nifangaro tamin'ny olona maro mandrakariva. Ahoana no nihazonany toetra tony sy tsy azo nohozongozonina teo amin'ny asany sy teo anatrehan'ny olona? Tsy isalasalana fa noho ny fanandraman'ny fivavahana nananany isan'andro izany.

Mieritrereta fandaharam-potoana azonao ampiharina mikasika ny fivavahana sy ny fianarana ny Soratra Masina. Jereo izay mety aminao, ary manokàna fotoana hikolokoloana toe-tsaina tony eo ambany fitarihan'ny Fanahy sy ny Tenin'Andriamanitra.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Resaho ao amin'ny kilasy ny momba ny vavaka sy ny antony maha-zava-dehibe izany eo amin'ny fiainana kristianina. Inona avy ireo fanontaniana apetraky ny olona mikasika ny tanjon'ny vavaka sy ny fahombiazan'izany?

2. Resaho ao amin'ny kilasy ny amin'ny toerana izay mety mahatsara kokoa ny tsy hilazalazana momba Izay inoantsika. Rahoviana no tokony hitandremana tahaka izany, ary ahoana no hitandremana kanefa tsy hanaovantsika marimaritra iraisana momba ny fijoroantsika ho vavolombelona?

3. Iza ireo "boka" eo amin'ny kolontsaina misy anao ankehitriny? Ahoana no hanatraran'ny fiangonana misy anao ireny olona ireny sy "hikasihany" azy mba hitondrana ny filazantsara ho eo amin'izy ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal