Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

FIANARANA FANAMPINY

Daty
Zoma 19 July 2024

Vakio ny IFM, toko 28: "Levy Matio", sy ny toko 29: "Ny Sabata".
"Rehefa nanontaniana Jesoôsy hoe: 'Mety ve ny manasitrana amin'ny andro Sabata? dia novaliany hoe: 'Iza moa no olona ao aminareo, raha manana ondry anankiray, ka latsaka any an-kady amin'ny Sabata, no tsy handray azy sy hampakatra azy? Ary tsy mihoatra lavitra noho ny ondry va ny olona? Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata' - Mat. 12:10-12.

Tsy sahy namaly an'i Kristy teo anatrehan'ny vahoaka marobe ny mpitsikilo noho ny fahatahorany ho tafiditra ao amin'ny zava-tsarotra. Fantany fa nilaza ny marina Izy Naleony namela olona hijaly toy izay handika ny lovan-tsofiny, nefa hamonjy biby satria fatiantoka ho an'ny tompony ny fanaovana an-tsirambina izany. Noho izany dia lehibe kokoa noho ny ho an'ny olona natao araka ny endrik'Andriamanitra ny fikarakarana ny biby tsy afaka miteny. Sary manazava ny asan'ny fivavahana diso rehetra izany. Ny fanirian'ny olona hanandratra ny tenany ho ambonin'Andriamanitra no niavian'ireny ary ny vokany dia fanetrena ny olona ho ambanin'ny biby. Ny fivavahana rehetra izay manohitra ny maha-mpanjaka an'Andriamanitra dia manala ny voninahitry ny olona izay nomena azy teo amin'ny famoronana, ary haverina aminy indray amin'ny alalan'i Kristy. Ny fivavahana diso rehetra dia mampianatra ny mpanaraka azy tsy hikarakara izay ilain'ny olona, ny fijaliany sy ny zony. Mametraka tombambidiny ambony eo amin'ny olombelona ny Filazantsara, amin'izy novidin'ny ran'i Kristy, ary mampianatra ny hijeny amim-pitiavana izay ilain'ny olona sy izay mampahory azy. Hoy Jehovah: 'Dia hataoko ho saro-tadiavina mihoatra noho ny volamena tsara ny olombelona, eny, noho ny tena volamena avy any Ofira aza." - IFM, t. 297.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Inona ireo paikady na fanao tsotra manampy anao sy ny fiangonana misy anao hitsinjo mandrakariva ireny olona miari-pijaliana mangina ireny, tahaka ilay mararin'ny paralysisa ao amin'ny Mar. 2?

2. Saintsaino hoe: nohajambain'ny fankahalana, ny lovan-tsofina, ny foto-pampianarana, ny fombam-pivavahana ankapobeny ireo mpitondro fivavahana izay nandà an'i Jesôsy, hany ka na ny fahagagana nataon'i Jesōsy aza dia tsy nahasokatra ny sain'izy ireo hanaiky Azy. Amin'ny maha- vahoakan'Andriamanitra antsika, ahoana no hitandremantsika mba tsy hahavoa antsika koa ny toy izany?

3. Ahoana no hahatonga ny fiangonana misy anao ho "ankohonana" ho an'ireo izay mety ho narian'ny fianakaviany ara-nofo noho ny finoany?

4. Diniho lalindalina kokoa ny amin'ilay "heloka tsy azo avela". Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny hevitr'izany sy ny hoe: ahoana no hahazoantsike antoka fa tsy mbola nahavita izany isika?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal