Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"HAINAREO VA NY HISOTRO AMIN'NY KAPOAKA IZAY SOTROIKO?"

Daty
Alarobia 21 August 2024

Vakio ny Mar. 10:32-45. Ahoana no anehoan'ireo andininy ireo fa tsy mbola takatry ny mpianatra ihany ny asa nanirahana an'i Jesôsy sy ny atao hoe manara-dia an'i Jesôsy?

Nandroso nanatona an'i Jerosalema ny dian'i Jesôsy, ary nambarany tamin'ny mpianany teny an-dalana izay hitranga rehefa tonga ao. Tantara tsy ninoan'izy ireo izany na niriny horenesina. Nanaitra tokoa ny nilazan'i Jesôsy mazava ny hahafatesany sy ny hitsanganany amin'ny maty, saingy rehefa tsy tiana ny mandre zavatra iray, dia mora tokoa ny manadino azy.

Toy izany indrindra no niseho tamin'i Jakôba sy i Jaona teto raha nanatona mangingina an'i Jesôsy izy ireo nanao fangatahana. Rehefa nofotorin'i Jesôsy tsara izay tena tiany nangatahina, dia namaly ireo hoe: "ny, hipetrahanay ny anankiray ho eo amin'ny ankavananao, ary ny anankiray ho eo amin'ny ankavianao, any amin'ny voninahitrao."Azo tsikeraina mora foana ho fitiavan-tena ny fangatahan'izy ireo. Kanefa efa nanolo-tena hanao ny asan'i Jesôsy izy mirahalahy ireo, koa angamba tsy dia fitiavan-tena tanteraka no nanesika azy ireo hangataka izany.

Niezaka nanokatra ny sain'izy ireo i Jesôsy hahatakatra izay angatahiny. Nanontaniany raha hain'izy ireo ny hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiny na ny hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Azy batisa. Ny kapoakany mantsy dia ny fahoriana efa hiaretany ao Getsemane sy eo amin'ny hazo fijaliana (ampitahao amin'ny Mar. 14:36), ary ny batisany dia ny fahafatesany sy ny handevenana Azy (Mar. 15:33-47), izay ahitana tranga mifanindran-dalana amin'izay niseho tamin'ny batisany araka ny voasoratra ao amin'ny Mar. 1.

Kanefa tsy takatr'i Jakôba sy i Jaona izany ka namaly mora foana izy ireo hoe: "Hainay ihany." Dia naminany i Jesôsy fa hisotro amin'ny kapoaka izay sotroiny tokoa izy ireo ary hatao batisa amin'ny batisa izay anaovana Azy batisa. I Jakôba no maty maritiora voalohany tamin'ireo apôstôly (Asa. 12:2). I Jaona kosa no ela velona indrindra tamin'ny apôstôly, ilay natao sesitany tany amin'ny nosy Patmo (Apôk. 1:9), saingy efa nilaza i Jesôsy fa ny amin'ny toeram-boninahitra dia Andriamanitra no mamaritra izany.

Inona ny fihetsiky ny mpianatra teo anatrehan'izany? Tsy dia tsara. Ampiasaina ao amin'ny Mar. 10:41 ilay teny grika hoe aganakteô, nadika hoe "tezitra", izay nampiasaina koa tao amin'ny Mar. 10:14 rehefa tezitra i Jesôsy raha nosakanana tsy hanatona Azy ny zaza.

Dia novorin'i Jesôsy teo Aminy ny mpianany mba hanomezany azy ny lesona mafonja indrindra. Nolazainy fa ny mpanapaka Jentilisa dia mampiasa ny fahefany hahazoan'ny tenany manokana tombony. Fa ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra kosa, ny fahefana dia tsy maintsy ampiasaina mandrakariva hanandratana ny hafa sy ho fitahiana ho azy ireny. Nanome ohatra ny amin'izany i Jesôsy amin'ny maha-Mpanjaka Azy ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Tamin'ny fomba ahoana? Nafoiny ny ainy ho fanavotana antsika. Tsy izany anefa no tena nantenain'ny mpianatra ho re.

Amin'ny maha-Kristianina, inona no atao hoe "manompo" ny hafa? Izany hoe, ahoana no anehoanao io foto-kevitra io eo amin'ny fifandraisanao isan'andro amin'ny manodidina anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal