Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

"HIANAO VA NO MPANJAKAN'NY JIOSY?

Daty
Alahady 15 September 2024

Vakio ny Mar. 15:1-15. Inona ny toe-javatra feno fanarabiana miseho eto?

I Pontio Pilato no governoran'i Jodia tamin'ny taona 26 hatramin'ny 36 TrK. Tsy mpitarika tsara fanahy izy, ary maro tamin'ireo asa nataony no nahavery hevitra ireo mponina teo amin'ny tany (ampitahao amin'ny Lio. 13:1). Niafara tamin'ny didim-pitsarana manameloka ho faty noho ny fitenenan-dratsy ny anaran'Andriamanitra ny fitsaran'ny Jiosy an'i Jesôsy. Tsy azon'ny Jiosy izay teo ambany fanapahan'ny Rômanina atao anefa ny mampamono olona, koa nentiny ho any amin'i Pilato i Jesôsy mba hohelohina.

Tsy voalaza ny vesatra niampangana an'i Jesôsy teo anatrehan'i Pilato, kanefa azo heverina fa hita taratra teo amin'ny fanontaniana fohy napetrak'i Pilato tamin'i Jesôsy izany fiampangana izany: "Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?" - Mar. 15:2. Ny Isiraely no nanosotra ny mpanjakany tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha, koa tsy sarotra ny mahita fa ny teny hoe "Mesia" ("Ilay voahosotra") dia azo avadika ho fitakiana ny fanajana mendrika ny mpanjaka, izany hoe fifaninanana amin'ny amperora. Araka izany, fitenenan-dratsy an'Andriamanitra no niampangana an'i Jesôsy teo anatrehan'ny Synedriona, ary fikomiana kosa no nentina niampanga Azy teo anatrehan'ny governora, izay hitarika ho amin'ny fahafatesana.

Raha ny marina anefa dia sady Mesia i Jesôsy no Mpanjakan'ny Jiosy. Diso ny fiampangana Azy ho miteny ratsy an'Andriamanitra sy mpikomy; tokony ho fanajana sy fiankohofana aza no naseho taminy. Mbola naneho ny fihetsiky ny mpanjaka ihany anefa i Jesôsy; izao no valinteniny tamin'i Pilato: "Voalazanao"- Mar. 15:2. Tsy nolaviny na nohamafisiny izany fiantsoana Azy izany. Mety haneho taratra izany valinteny izany fa Mpanjaka Izy saingy tsy tahaka izay iheveran'i Pilato Azy (ampitahao amin'ny Jao. 18:33-38).

Ampidirin'ny Mar. 15:6 ao amin'ny tantara ny fomba fanao izay andefasana mpifatotra iray amin'ny fotoan'ny Paska. Manontany i Pilato ao amin'ny Mar. 15:9 raha tian'izy ireo ny handefasany an'ilay "Mpanjakan'ny Jiosy', ary na dia tamim-panesoesoana aza no nanambarany izany dia nifototra taminy izany fanarabiana izany.

Fandinihana mikasika ny zavatra tsapa sy izay tsy tsapa ny Mar. 15:9. Tsapan'i Pilato fa fialonana no antony nanoloran'ireo mpitondra fivavahana an'i Jesôsy, saingy tsy tsapany fa tamin'ny nanontaniany ny vahoaka dia nanatanteraka tsy nahy ny zavatra notadiavin'ireo lohan'ny mpisorona izy. Nanetsika ny vahoaka izy ireo ary niantsoantso mba hanomboana an'i Jesôsy. Nihemotra i Pilato. Fomba famonoana mahatsiravina ny fanomboana amin'ny hazo fijaliana, indrindra ho an'izay heveriny ho tsy meloka. Toa toe-javatra maneso sy mahonena ny fanirian'ilay governora jentilisa handefa ny Mesia kanefa ireo mpitarika ara-pivavahana indray no naniry ny hanomboana Azy amin'ny hazo fijaliana.

Inona no mety hiaro anao tsy ho latsaka amin'ny fanarahana ny ataon'ny besinimaro rehefa mafy loatra ny fanerena hanao izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal