Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HOTAHINA ANIE IZAY AVY AMIN'NY ANARAN'I JEHOVAH

Daty
Sabotsy 24 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 23; Jao. 10:11-15; Sal. 22; Sal. 89:27-32; Kôl. 1:16; Sal. 2; Heb. 7:20-28.

Tsianjery: "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano no efa tonga fehizorom Indrindra. Avy tamin'i Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika." - Sal. 118:22,23.

Mijoro ho vavolombelon'i Kristy sy ny asany ny Salamo. Saika hita ao amin'ny Salamo avokoa ny lafiny rehetra amin'ny Asany ao amin'ny drafi-panavotana. Amin'ny fomba samihafa no anaovan'ny Salamo fanambarana mialoha momba ny fiainan'i Kristy sy ny asany, ary matetika izany no voafaritra mazava tsara.

Hita ao amin'ireo lohahevitra resahin'ny Salamo ny maha-Andriamanitra an'i Kristy, ny maha-Zanaka Azy, ny fankatoavany, ny hafanam-pony mikasika ny tempolin'Andriamanitra, ny maha-Mpiandry ondrin'Andriamanitra Azy, ny namadihana Azy, ny fahoriany, ny taolany tsy notapahina, ny nahafatesany, ny nitsanganany amin'ny maty, ny niakarany any an-danitra, ny maha-Mpisorona sy Mpanjaka Azy. Hita ao avokoa izany, araka izay nanambarana azy taonjato maro lasa talohan'ny nahatongavan'i Jesôsy ho nofo.

Tsy mahagaga, ohatra, ny nanambaran'i Jesôsy momba ny Salamo rehefa niresaka ny amin'ny asa fanompoany tamin'ireo mpianatra Izy raha teny an- dalana ho any Emaosy (Lio. 24:44). Niriny ny hahitan'ireo mpianatra ireo ao amin'ny Salamo ny porofon'ny maha-Izy Azy.

Anisan'ny Salamo ahitana tandindona izay tanteraka ao amin'i Kristy ny Sal. 24, 45, 72 ary ny 101 (Ilay Mpanjaka sy Mpitsara tsara indrindra), ny 88 sy ny 102 (vavaka ataon'ilay mpanompon'Andriamanitra ory).

Hitantsika ao amin'ny Salamo rehetra, amin'ny alalan'ny fitarainan'ny mpanao Salamo sy ny fisaorany ary ny fiderany sy ny fitalahoany rariny sy fanafahana, ny akon'ny vavaka ataon'i Kristy mba ho famonjena an'izao tontolo izao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal