Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

HOTAHINA ANIE IZAY AVY AMIN'NY ANARAN'I JEHOVAH

Daty
Sabotsy 24 February 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 23; Jao. 10:11-15; Sal. 22; Sal. 89:27-32; Kôl. 1:16; Sal. 2; Heb. 7:20-28.

Tsianjery: "Ny vato izay nolavin'ny mpanao trano no efa tonga fehizorom Indrindra. Avy tamin'i Jehovah izany ka mahagaga eo imasontsika." - Sal. 118:22,23.

Mijoro ho vavolombelon'i Kristy sy ny asany ny Salamo. Saika hita ao amin'ny Salamo avokoa ny lafiny rehetra amin'ny Asany ao amin'ny drafi-panavotana. Amin'ny fomba samihafa no anaovan'ny Salamo fanambarana mialoha momba ny fiainan'i Kristy sy ny asany, ary matetika izany no voafaritra mazava tsara.

Hita ao amin'ireo lohahevitra resahin'ny Salamo ny maha-Andriamanitra an'i Kristy, ny maha-Zanaka Azy, ny fankatoavany, ny hafanam-pony mikasika ny tempolin'Andriamanitra, ny maha-Mpiandry ondrin'Andriamanitra Azy, ny namadihana Azy, ny fahoriany, ny taolany tsy notapahina, ny nahafatesany, ny nitsanganany amin'ny maty, ny niakarany any an-danitra, ny maha-Mpisorona sy Mpanjaka Azy. Hita ao avokoa izany, araka izay nanambarana azy taonjato maro lasa talohan'ny nahatongavan'i Jesôsy ho nofo.

Tsy mahagaga, ohatra, ny nanambaran'i Jesôsy momba ny Salamo rehefa niresaka ny amin'ny asa fanompoany tamin'ireo mpianatra Izy raha teny an- dalana ho any Emaosy (Lio. 24:44). Niriny ny hahitan'ireo mpianatra ireo ao amin'ny Salamo ny porofon'ny maha-Izy Azy.

Anisan'ny Salamo ahitana tandindona izay tanteraka ao amin'i Kristy ny Sal. 24, 45, 72 ary ny 101 (Ilay Mpanjaka sy Mpitsara tsara indrindra), ny 88 sy ny 102 (vavaka ataon'ilay mpanompon'Andriamanitra ory).

Hitantsika ao amin'ny Salamo rehetra, amin'ny alalan'ny fitarainan'ny mpanao Salamo sy ny fisaorany ary ny fiderany sy ny fitalahoany rariny sy fanafahana, ny akon'ny vavaka ataon'i Kristy mba ho famonjena an'izao tontolo izao.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.
Sun 15 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny mpivady.
Mon 16 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny ray amandreny sy ny zanaka.
Tue 17 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Ny fifandraisana araka asa.
Wed 18 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mifampivavaka.
Thu 19 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Mandeha amin’ny fahendrena.
Fri 20 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Mar 2026
Lesona 12 : MIARA-MONINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal