Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I JESÔSY SY NY ANKIZY

Daty
Alatsinainy 19 August 2024

Vakio ny Mar. 10:13-16. Inona no nataon'i Jesôsy tamin'ireo izay nitondra zazakely teo Aminy.

Na nirina fatratra aza ny zanaka tamin'ny andro fahiny (indrindra ny zanaka lahy teo amin'ny kolontsaina izay nanomezan-danja kokoa ny lahy), dia tsy mora ny fahaterahana sy ny fahazazana. Tsy mbola nisy ny fitsaboana môderina ka betsaka tokoa ny reny sy ny zaza maty teo am-piterahana, ary ny ankizy matin'ny aretina. Marobe ireo kolontsaina nampiasa fanafody nentin-drazana sy ody ho fiarovana ireo olona marefo ireo amin'ny herin'ny ratsy.

Na nirina aza ny zanaka dia ambany ny toerana nisy azy teo amin'ny fiarahamonina, iray laharana amin'ny andevo mihitsy (Gal. 4:1,2). Teo amin'ny tontolon'ny Grika sy ny Rômanina, ny zaza misy fahasamponana na tsy nirina dia tsy narovana, ary natsipy tany amin'ny renirano mihitsy aza. Nomen-danja mihoatra noho ny vavy ny lahy; indraindray ny zazavavy kely vao teraka no ilaozana sy avela ho faty. Ary indraindray koa misy manavotra izy ireny, kanefa mba hobeazina sy hamidy ho andevo fotsiny ihany.

Hita fa tsy nahatakatra ny fampianaran'i Jesôsy ny mpianatra ao amin'ny Mar. 9 momba ny fandraisana ny fanjakan'Andriamanitra toy ny zaza (Mar. 9:33-37). Izao izy ireo dia niteny mafy ireo izay nitondra zaza teo amin'i Jesôsy mba hotsofiny rano. Nieritreritra izy angamba fa tsy manam-potoana holanina amin'ny zavatra tsy dia misy dikany toy izany ny Tompo.

Diso hevitra izy ireo. Nahatezitra an'i Jesôsy izany. Misy fihetsika henjana vitsivitsy nasehon'i Jesôsy ao amin'ny bokin'i Marka, ary mahaliana ny manamarika fa anisan'ny nanehoan'i Jesôsy fihetsika mahery ireo izay nandrara ny zaza tsy hanatona Azy.

Nohamafisiny tsara fa tsy azon'ny mpianatra atao ny manakantsakana azy ireny. Nahoana? Satria an'ny toa azy ny fanjakan'Andriamanitra; ary tahaka ny zaza - dia araka ny toetrany sy ny fomba fijeriny - no tsy maintsy andraisantsika koa ny fanjakan'Andriamanitra. Inoana fa ny toetran'ny zaza feno fahatsorana sy matoky an'Andriamanitra no tiany nolazaina.

"Aoka ny toetra amam-panahinareo izay tsy mitovy amin'ny an'i Kristy tsy handiso ny fanehoana ny toetrany. Aza avela ho lavitra Azy noho ny fangatsiahanao sy ny hamafisam-ponao ireo madinika ireo. Aza avela hihevitra na oviana na oviana izy ireo fa toerana tsy hahafinaritra ny fanitra raha toa any ianao. Aza miresaka ny fivavahana ho toy ny zavatra izay tsy takatry ny sain'ny ankizy, na hanao fihetsika izay mampiseho fa tsy afaka hanaiky an'i Kristy eo amin'ny fahazazany izy ireo. Aza manome azy endrika diso ny amin'ny fivavahan’ i Kristy ka hilaza azy ho fivavahana mampitanondrika, ary raha manatona ny Mpamonjy izy dia tsy maintsy hialany daholo izay rehetra mahafalifaly ny fiainany."- TMF, t. 23.

Ahoana no hanehoanao amin'ny fomba tsaratsara kokoa an'i Jesôsy amin'ireo zaza rehetra manodidina anao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal