Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

I KRISTY IRERY IHANY - FAHASOAVANA IRERY IHANY

Daty
Alarobia 01 May 2024

Vakio ny Efes. 2:8,9; Rôm. 3:23,24; Rôm. 6:23; sy ny Rôm. 5:8-10. lnona no ampianarin'ireo andininy ireo momba ny drafi-pamonjena?

Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny famonjena. Mitarika antsika ny Fanahiny Masina hanaiky amin'ny alalan'ny finoana izay natolotr'i Kristy maimaimpoana tamin'ny alalan'ny fahafatesany teo amin'ny hazo fijalian'i Kalvary. Nahafoy ny ainy tonga lafatra ho fanavotana antsika noho ny fahotana i Jesôsy, Ilay Zanak'Andriamanitra. Mitaky fankatoavana tanteraka ny fahamarinan'Andriamanitra. Ny fiainan'i Kristy tonga lafatra no misolo toerana ny fiainantsika tsy tanteraka. Ny lalan'Andriamanitra izay nodikaintsika dia manameloka antsika amin'ny fahafatesana mandrakizay. Mazava ny ambaran'ny Baiboly. Tsy nahatratra ilay idealin'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika isika noho ny safidintsika feno fahotana. Nanota isika. Raha ny herintsika samirery dia tsy ho vitantsika ny hanao ny marina sy ny mahitsy araka ny fitakian'llay Andriamanitra masina. Vokatr'izany dia ny fahafatesana mandrakizay no mendrika antsika. Misy vaovao mahafaly anefa. Manome toky antsika i Paoly apostoly "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika" - Rôm . 6:23.

Omena antsika izany na tsy mendrika izany aza isika; raha amin'ny alalan'ny asa kosa no mety hahazoantsika izany, dia midika izany fa mendrika isika; raha misy fahamarinana iray misongadina mazava anefa avy ao amin'ny filazantsara, dia ity: tsy mendrika ny famonjena isika. Hitan'i Martin Luther sy ireo mpanavao fivavahana protestanta fa i Kristy, ary Izy irery ihany no loharanom-pamonjena. Ary teo no nanombohan'i Lotera nitory ny hafatry ny fahasoavan'i Kristy mahavonjy. Nirohotra nihaino ireo hafatra mahitsy sy manova fiainana nentiny ireo vahoaka. Toy ny rano mangatsiaka teo anivon'ny efitra karankainan'ny fiainan'izy ireo ny teniny. Voafatotry ny fombafomban'ny Eglizy tamin'ny vanim-potoana Antenantenany ny olona ka voatana ho andevon'ireo fahazarana efa naharitra taonjato maro, izay tsy nitondra fiainana ho an'ny fanahiny. Nikasika ny fo ireo hafatra avy ao amin'ny Baiboly nentin'i Lotera, ka fiainana maro no voaova. Talanjona i Lotera nahita ny fahatsaran'Andriamanitra, raha namaky ny Testamenta Vaovao. Gaga izy nahita ny fanirian'Andriamanitra hamonjy ny taranak'olombelona manontolo. Ny fomba fijerin'ny besinimaro, izay avy amin'ny fampianaran'ireo mpitarika fiangonana tamin'izany fotoana izany, dia hoe: ny famonjena dia asan'olombelona amin'ny ampahany ary asan'Andriamanitra amin'ny ampahany. Hitan'i Lotera fa ny fahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana dia ampy tanteraka ho an'ny olombelona rehetra. "izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory izy, mba hahazoantsika fahamarinana amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika izy, mba hahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy." — IFM, t. 16.

Famintinana ny filazantsara amin'ny fomba mazava tsara sady kanto tokoa izany! Dia ny hoe: azo hamarinina amin'ny alalan'ny fahamarinana "izay tsy nananantsika anjara" isika! Teny fikasana manao ahoana re izany! Raha asan'Andriamanitra an amin'i Kristy ny famonjena, inonu ny anjara tanan'ny asa tsara ataontsika eo amin'ny fiainana kristianina? Ahoana no hanamafisantsika ny maha-zavo-dehibe ny asa tsara eo amin'ny fanandramana iainantsika kanefa tsy manao izany ho fototry ny fanantenantsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal