Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Iay Mesia niari-pahoriana

Daty
Alatsinainy 26 February 2024

Vakio ny Sal. 22 sy ny Sal. 118:22. Tonga tety ny Mesia mba hamonjy ny olona, ahoana anefa no nandraisan'izy ireo Azy?

Salamo maro no maneho ny fahatsapan'ilay Mesia niari-pahoriana ho nafoy tanteraka; naharary Azy izany (ohatra amin'izany ny Sal. 42; Sal. 88; Sal. 102). Faminaniana mivantana mikasika ny Mesia ny Sal. 22 satria tsipiriany maro ao amin'io Salamo io no tsy azo ampifandraisina ara-tantara amin'i Davida mpanjaka saingy mifanandrify tanteraka amin'ireo toe-javatra niseho tamin'ny fahafatesan'i Kristy. Ny teny ao amin'ny Sal. 22:1 no nataon'i Jesôsy vavaka teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 27:46).

Ny fahorian'i Kristy noho ny fisarahany tamin-dRainy, vokatry ny nitondrany ny fahotan'izao tontolo izao, dia tsy azo refesina raha tsy amin'ny fifandraisana ety dia ety eo amin'lzy ireo, dia ny maha-iray Azy, fifandraisana izay tsy misy toy izany (Jao. 1:1,2; Jao. 10:30). Na ny halalin'ny fahoriana tsy hay nohazavaina aza anefa dia tsy naharava ny firaisana eo amin'ny Ray sy ny Zanaka. Na dia nafoy tanteraka aza i Kristy ary na teo aza ny fahoriana lalina natrehiny dia tsy nisy fepetra ny fanankinany ny Tenany tamin'ny Rainy.

"Teo amin'i Kristy no napetraka ny fahadisoantsika rehetra amin'ny maha-mpisolo toerana antsika sy antoka ho antsika Azy. Nisaina ho anisan'ny mpanao meloka Izy mba hahazoany manavotra antsika avy amin'ny fanamelohan'ny lalàna. Nitambesatra teo amin'ny fony ny fahadisoan'ny taranak'i Adama tsirairay. Ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fahotana, ny fanehoany mahatahotra ny tsy fankasitrahany ny fahadisoana dia nahazendana ny fanahin'ny Zanany." - IFM, tt. 811, 812.

Ny sarin'ny biby mahatahotra tahaka ny ombilahy be, ny liona mierona ary ny amboa dia manasongadina ny fahalozan'ny olona sy ny fankahalana nahatran'izy ireo tamin'i Kristy nandritra ireo ora farany niainany, Kristy izay nampitoviana tamin'ny olitra tsy manan-kery sy tsy mitera-doza. Mahagaga tokoa ny fitantarana tsy misy tomikan'ny Sal. 22 ireo teny maharary nataon'ny vahoaka izay nanaraby an'i Jesosy tamin'ny Teny nataony tamin'ny Ray (Sal. 22:1, 8; Mat. 27:43) sy ireo miaramila nizara ny fitafian'i Jesôsy (Sal. 22:18; Mat. 27:35). Tsy takatry ny olona mihitsy anefa fa ilay "olitra" izay notadiaviny hotorotoroina no ho tonga "vato fehizoron "ny Tempoly ary miantoka ny fanorenany (Sal. 118:22).

Ilay Mesia nolavina no tonga Loharanom-pamonjena ho an'ny vahoakan'Andriamanitra taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty (Mat. 21:42; Asa. 4:10- 12). Niaretan'i Kristy ny fandavan'ny taranak'olombelona Azy, kanefa Andriamanitra nanome voninahitra ny Zanany tamin'ny nanaovany Azy ho "fehizoron"ny Tempoliny ara-panahy (Efes. 2:20-22; 1 Pet. 2:4-8). Ho an'ireo mandà izany Vato izany, izay fomba amonjen'Andriamanitra, dia ho Tonga Mpitsara azy ireo Izy (Isa. 8:14; Mat. 21:44).

Teo amin'ny hazo fijaliana no nanefan'i Jesôsy ny onitry ny fahotana rehetra vitanao. Niari-pahoriana noho ny aminao Izy. Inona no tokony ho fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fiainanao ankehitriny, izany hoe, nahoana ny fahotana no tokony haharikoriko anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny
Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal