Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Iay Mesia niari-pahoriana

Daty
Alatsinainy 26 February 2024

Vakio ny Sal. 22 sy ny Sal. 118:22. Tonga tety ny Mesia mba hamonjy ny olona, ahoana anefa no nandraisan'izy ireo Azy?

Salamo maro no maneho ny fahatsapan'ilay Mesia niari-pahoriana ho nafoy tanteraka; naharary Azy izany (ohatra amin'izany ny Sal. 42; Sal. 88; Sal. 102). Faminaniana mivantana mikasika ny Mesia ny Sal. 22 satria tsipiriany maro ao amin'io Salamo io no tsy azo ampifandraisina ara-tantara amin'i Davida mpanjaka saingy mifanandrify tanteraka amin'ireo toe-javatra niseho tamin'ny fahafatesan'i Kristy. Ny teny ao amin'ny Sal. 22:1 no nataon'i Jesôsy vavaka teo amin'ny hazo fijaliana (Mat. 27:46).

Ny fahorian'i Kristy noho ny fisarahany tamin-dRainy, vokatry ny nitondrany ny fahotan'izao tontolo izao, dia tsy azo refesina raha tsy amin'ny fifandraisana ety dia ety eo amin'lzy ireo, dia ny maha-iray Azy, fifandraisana izay tsy misy toy izany (Jao. 1:1,2; Jao. 10:30). Na ny halalin'ny fahoriana tsy hay nohazavaina aza anefa dia tsy naharava ny firaisana eo amin'ny Ray sy ny Zanaka. Na dia nafoy tanteraka aza i Kristy ary na teo aza ny fahoriana lalina natrehiny dia tsy nisy fepetra ny fanankinany ny Tenany tamin'ny Rainy.

"Teo amin'i Kristy no napetraka ny fahadisoantsika rehetra amin'ny maha-mpisolo toerana antsika sy antoka ho antsika Azy. Nisaina ho anisan'ny mpanao meloka Izy mba hahazoany manavotra antsika avy amin'ny fanamelohan'ny lalàna. Nitambesatra teo amin'ny fony ny fahadisoan'ny taranak'i Adama tsirairay. Ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fahotana, ny fanehoany mahatahotra ny tsy fankasitrahany ny fahadisoana dia nahazendana ny fanahin'ny Zanany." - IFM, tt. 811, 812.

Ny sarin'ny biby mahatahotra tahaka ny ombilahy be, ny liona mierona ary ny amboa dia manasongadina ny fahalozan'ny olona sy ny fankahalana nahatran'izy ireo tamin'i Kristy nandritra ireo ora farany niainany, Kristy izay nampitoviana tamin'ny olitra tsy manan-kery sy tsy mitera-doza. Mahagaga tokoa ny fitantarana tsy misy tomikan'ny Sal. 22 ireo teny maharary nataon'ny vahoaka izay nanaraby an'i Jesosy tamin'ny Teny nataony tamin'ny Ray (Sal. 22:1, 8; Mat. 27:43) sy ireo miaramila nizara ny fitafian'i Jesôsy (Sal. 22:18; Mat. 27:35). Tsy takatry ny olona mihitsy anefa fa ilay "olitra" izay notadiaviny hotorotoroina no ho tonga "vato fehizoron "ny Tempoly ary miantoka ny fanorenany (Sal. 118:22).

Ilay Mesia nolavina no tonga Loharanom-pamonjena ho an'ny vahoakan'Andriamanitra taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty (Mat. 21:42; Asa. 4:10- 12). Niaretan'i Kristy ny fandavan'ny taranak'olombelona Azy, kanefa Andriamanitra nanome voninahitra ny Zanany tamin'ny nanaovany Azy ho "fehizoron"ny Tempoliny ara-panahy (Efes. 2:20-22; 1 Pet. 2:4-8). Ho an'ireo mandà izany Vato izany, izay fomba amonjen'Andriamanitra, dia ho Tonga Mpitsara azy ireo Izy (Isa. 8:14; Mat. 21:44).

Teo amin'ny hazo fijaliana no nanefan'i Jesôsy ny onitry ny fahotana rehetra vitanao. Niari-pahoriana noho ny aminao Izy. Inona no tokony ho fiantraikan'izany eo amin'ny fomba fiainanao ankehitriny, izany hoe, nahoana ny fahotana no tokony haharikoriko anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal