Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY BIBIDIA NIAKATRA AVY AMIN’NY TANY

Daty
Alakamisy 13 June 2024

Vakio ny Apôk . 13:11-18. Inona ny maha-samy hafa io bibidia faharoa io amin'ilay bibidia voalohany ao amin'ny Apôk . 13?

Nivoaka avy amin'ny ranomasina ilay bibidia voalohany; ilay bibidia faharoa kosa "niakatra avy tamin'ny tany "- Apôk. 13:11. Ny ranomasina dia maneho "olona sy vahoaka betsaka, sy firenena maro ary samy hafa fiteny' - Apôk. 17:15. Noho izany, ny tany dia maneho faritra tsy dia misy olona eto an-tany. Manodidina ny fiafaran'ny vanim-potoana ara-paminaniana nandritra ny fotoana nananan'ilay bibidia voalohany fahefana no nipoiran'ilay bibidia faharoa (Apôk . 13:5).Izany hoe, nanodidina ny taona 1798 no nisandratany.

Mifandraika tsara amin'izany fanoritsoritana izany i Etazonia. Nanambara ny fahaleovan-tenany izy tamin'ny taona 1776, nanangana ny lalàm-panorenany tamin'ny taona 1789 ary nekena ho firenena matanjaka indrindra eran-tany tamin'ny fiafaran'ny taonjato faha-19.

Tohizan'i Jaona izany hoe: "ary nanan-tandroka roa tahaka ny an'ny zanak'ondry izy sady niteny tahaka ny dragona"- Apôk . 13:11. Ao amin'ny faminaniana ara-Baiboly, ny tandroka dia tandindon'ny fahefana. Tsy tahaka ilay bibidia voalohany ity anankiray ity, dia tsy manana satroboninahitra eo amin'ireo tandrony, milaza izany fa tsy mpanjaka izy. Maneho ireo fitsipika fototra roa niandohan'ny fahefan'i Etazonia sy ny fahombiazany ireo tandroka roa: ny fahafahana ara-politika sy ny fahafahana ara-pivavahana.

Vakio ny Apôk. 13:11,12. Inona ny fiovana hitanao amin'io bibidia io ary manao ahoana no fiteniny?

Miteny toy ny dragona io firenena malemy fanahy toy ny zanak'ondry io amin'ny farany. Mampiasa "ny fahefana rehetra nananan'ilay bibidia voalohany' izy (Apôk . 13:12), ary miala amin'ny fitsipiny momba ny fahafahana ara-pivavahana, ka "ny tany mbamin'izay monina eo dia asainy miankohoka eo anoloan’ilay bibidia voalohany"- Apôk. 13:12. I Etazonia no voalohany hitaky ny mponina amin'ny tany rehetra hiankohoka amin'ilay bibidia voalohany ka hanaiky ny fahefana ara-pivavahana sy ara-panjakana ananan'ny papa. Araka io faminaniana io, i Etazonia no manangana ny sarin'ny bibidia – fiombonan'ny Eglizy sy ny Fanjakana ary hotakiny ny hiankohofan'ny rehetra amin'io sary io.

Ny mahavariana dia mbola lavitra ny fananany hery ara-tafika sy ara-ekônômika izay misy azy ankehitriny I Etazonia tamin'ny vanim-potoana nanondroana azy voalohany indrindra ho fahefan'io bibidia io.

Saino ny amin'ny tsy fahamarinan-toerana ara-polifika any Amerika amin'izao fotoana izao. Ahoana no mety hitarihan'izany ho amin'ny fahatanterahan'io faminaniana io indray andro any? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal