Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ilay fanoharana momba ny voalobok'i Jehôvah

Daty
Alarobia 06 March 2024

Vakio ny Sal. 80. Ahoana no anoritşoritana ny vahoakan' Andriamanitra ao amin'io Salamo io? Inona ilay fanantenana lehibe andrandrain'izy ireo?

Oharina amin'ny voaloboka nongotan'Andriamanitra avy any Egipta, tany nahandevozana, ny Isiraely, izay nafindran'Andriamanitra ho amin'ny Tany Nampanantenaina mamokatra be. Maneho ny nifidianan'Andriamanitra ny Isiraely sy ny fiahiany azy ilay sary an'ohatra momba ny voaloboka (vakio koa ny Gen. 49:11,12,22; Deo. 7:7-11).

Kanefa ao amin'ny Sal. 80 dia iharan'ny fahatezeran'Andriamanitra ilay voaloboka (Sal. 80:12). Ambaran'ny mpaminany fa maneho ny fitsaran'Andriamanitra ny faharavan'ilay voaloboka satria nanjary voalobo-dratsy ilay izy (Isa. 5:1-7; Jer. 2:21).

Kanefa tsy ny anton'ny fitsaran'Andriamanitra no iompanan'ny Sal. 80. Eo anatrehan'ny halehiben'ny fahasoavan'Andriamanitra dia very hevitra ilay mpanao Salamo ny amin'ny hoe: ahoana no hahavitan'Andriamanitra mandao ny olony maharitra ela toy izao? Matahotra ilay mpanao Salamo eo anelanelan'ny fifandroritan'ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fitsarany etsy andaniny, ary ny fahasoavan'Andriamanitra sy ny famelany heloka etsy ankilany, andrao ny fahatezerany no mahazo laka ka ho fongana tanteraka ny vahoaka (Sal. 80:16).

Vakio ny Nom. 6:22-27. Ahoana no ampiasan'ny Sal. 80 lo tso-drano io?

Mampahatsiahy ny toky nomen'i Arona ny ambentin-teny ao amin'ilay Salamo, fa hitahy ny vahoakany mandrakariva Andriamanitra (Nom. 6:22-27), ary asongadina ao ny fanantenana fa handresy ny fahoriana manjo ny vahoaka ny fahasoavan'Andriamanitra: "Andriamanitra ô, ampodio izahay, ka ampamirapirato ny tavanao, ary aoka hovonjena izahay." (Sal. 80:3; jereo koa ny Sal. 80:7,19).

Ny teny hebreo nadika hoe "ampodio" dia avy amin'ny teny efa fampiasa midika hoe "avereno". Miverimberina ao amin'ny Baiboly izany, rehefa miantso ny olony maniasia mba hiverina Aminy Andriamanitra.

Mifamatotra akaiky amin'ny hoe fibebahana ny teny hoe "ampodio", izay fialana amin'ny ota sy fiverenana amin'Andriamanitra. "Ary homeko fo hahalalany Ahy ho Jehovah izy; dia ho oloko izy, ary Izaho kosa ho Andriamaniny; fa hiverina amiko amin'ny fony rehetra izy." - Jer. 24:7.

Ahoana no efa nahatsapanao teo amin'ny fiainanao manokana fa fiverenana amin'Andriamanitra ny fibebahana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal