Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY FIARAHA-MISAKAFO HARIVA FARANY

Daty
Alatsinainy 09 September 2024

Vakio ny Mar. 14:22-31 sy ny Eks. 24:8. Inona no maha-zava-dehibe ny tantara voalaza eto ho an'ny finoana kristianina?

Voalaza ao amin'ny Mar. 14:12 fa andro voalohan'ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin'izay, izay famonoana ny zanak'ondrin'ny Paska. Ny harivan'ny Alakamisy io fiaraha-misakafo io.

Nandritra ity fiaraha-misakafo hariva farany ity dia nametraka fanompoam-pivavahana vaovao mba hotsarovana i Jesôsy. Niainga avy tamin'ny fankalazana ny Paska jiosy izany ary mifandray mivantana amin'ny nandaozan'ny Isiraely an'i Egipta sy ny nahatongavan'izy ireo ho vahoakan'ny fanekena tao Sinay. Raha nanorina ny fanekena i Mosesy ao amin'ny Eks. 24:8, dia natopiny tamin'ny vahoaka ny ran'ny fanatitra ka hoy izy: "Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany"

Manaitra ny tsy nampiasana ny zanak'ondrin'ny Paska nandritra ilay fiaraha-misakafo. Ny antony dia satria i Jesôsy no Zanak'ondrin'Andriamanitra (ampitahao amin'ny Jao. 1:29). Maneho ny tenan'i Kristy ny moto. Naorina tamin'ny alalan'ny rani Jesôsy ny Fanekena Vaovao (ampitahao amin'ny Jer. 31:31-34), izay asehon'ny kapoaka. Hoy Izy: "Ity no rako amin'ny fanekena, izay alatsaka hamonjy ny maro."— Mar. 14:24.

Ary tao anatin'izany rehetra izany dia naminany i Jesôsy fa handao Azy avokoa ny mpianany. Ny tao amin'ny Zak. 13:7 no nolazainy, izay manambara sabatra hamely ny mpiandry ka hampihahaka ny ondry. I Jesôsy no Mpiandry, ary ny mpianatra no ondry. Hafatra mazava sy mampalahelo izany, kanefa nampian'i Jesôsy teny mitondra fanantenana tamin'ny namerenany indray fa hitsangana amin'ny maty Izy. Avy eo dia nambarany fa hialoha ny mpianatra ho any Galilia Izy. Namerina izany teny izany ilay zatovo tao amin'ny fasan'i Jesôsy, ao amin'ny Mar. 16:7, koa manan-danja manokana izany teny izany eto.

Sarotra loatra ho an'ny mpianatra anefa ny hanaiky izany rehetra izany, indrindra ho an'i Petera izay nilaza hoe: "na dia ho tafintohina avokoa aza ny olona rehetra, izaho tsy mba ho tafintohina."— Mar. 14:29. Kanefa tsy nisomonga Jesôsy nanohy ny teniny, ary nambarany mialoha fa handà Azy intelo i Petera mialoha ny hanenoan'ny akoho fanindroany. Manan-danja lehibe io faminaniana io eto, izay tanteraka tokoa nandritra ny fotoana nitsarana an'i Jesôsy.

Efa nanome toky an'Andriamanitra ve ianao fa hanao na tsy hanao zavatra iray, kanefa tsy nataonao na nataonao ihany ilay izy? Inona ny lesona tokony horaisinao avy amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal