Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY MPISORONABENTSIKA

Daty
Alakamisy 04 April 2024

Izay nataon’i Jesôsy ho antsika teo amin’ny hazo fijaliana dia nahatonga Azy ho afaka hanao fanelanelanana ho antsika any an-danitra. Ilay Tompontsika nitsangana tamin’ny maty no Mpisoronabentsika lëhibe, manome antsika izay rehetra ilaina mba hahavoavonjy antsika sy hiainantsika mandrakizay ao amin’ny fanjakan'Andriamanitra Izy.

Vakio ny Heb. 4:15,16 sy ny Heb. 7:25. Ahoana no anomezan’ireo andininy ireo toky antsika eto amin'ity tany feno fakam-panahy, fijaliana, aretina, ary fahafatesana ity?

Voalaza ao amin’ny Heb. 4:15 fa “nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nanana ota". Ary ampiany hoe “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindrampo sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory” – and. 4:16.

Raha lazaina amin’ny tomba tsotra dia izao: asehon’i Jesôsy antsika izao tontolo àry rehetra izao voatafy amin’ny fahamarinany, voavonjin’ny fahafatesany, ary voavotry ny rany. Izay rehetra tokony ho anjarantsika no nozakainy Tsy misy fanamelohana noho ny fahotantsika lasa ao amin’i Kristy. Foana ny fahamelohantsika ao amin’i Kristy, ary noho ny fanelanelanana mahomby ataony ho antsika dia tsy eo ambanin’ny vahohon’ny fahotana intsony ny fiainantsika. Mivaha ireo fatorana mangeja antsika, ary afaka isika.

Vakio ny Jao. 17:24-26. Inona no fanirian'i Kristy lalina ao amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy?

« Rehefa vita ilay sorona lehibe dia niakatra ho any amin’ny avo Kristy ary nolaviny ny fiankohofan’ny anjely mandra-panehoany ilay fangatahany hoe: ‘Tiako mba ho any amiko amin’izay itoerako ireo izay nomenao Ahy'. Tamin'izay dia tonga ny valiny nivoaka avy tamin’ny seza fiandrianan’ny Ray, nitafotafo fitiavana sy hery tsy hay lazaina nanao hoe: ‘Aoka ny anjelin'Andriamanitra rehetra hiankohoka eo anatrehany'. Tsy nisy pentina tafajanona teo amin’i Jesôsy. Tapitra hatreo ny fampietrena Azy, feno ny sorona nataony, ary dia nomena anarana ambonin’ny anarana rehetra Izy » - HM, t. 519. Irin'i Jesôsy ambonin'ny zava-drehetra ny hiarahantsika Aminy any an-danitra. Ny hamonjy antsika no fanirian’ny fony sy anton’ny nahafatesany ary anaovany fanelanelanana. Inona no ilainao manokana eo amin’ny fiainanao? Lazao amin’i Jesôsy izany. Mitondra fampaherezana eo amin’izay misy alahelo Izy. Fiadanana no entiny eo amin’izay misy tahotra. Mitondra famelan-keloka Izy eo amin’izay misy fahamelohana, ary hery eo amin’izay misy fahalemena.

Araka ny hevitrao, nahoana i Kristy no nanao sorona ny tenany ho antsika? Inona no mahatonga antsika ho sarobidy loatra eo imasony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal