Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

ILAY TOMPON'NY SABATA

Daty
Talata 16 July 2024

Melohin'ny Fariseo ho mpandika ny Sabata ny mpianatra ao amin'ny Mar. 2:23,24. Araka ny lalana jiosy dia misy 39 ireo karazana asa voarara amin'ny andro Sabata, ka araka ny fijerin'ny Fariseo dia anisan'izany ny nataon'ny mpianatra.

Vakio ny Mar. 2:23-28. Ahoana no namalian'i Jesôsy ny fanamelohana nataon'ny Fariseo?

Ilay tantaran'i Davida nihinana mofo aseho (1 Sam. 21:1-6) no namalian'i Jesôsy azy. Andro Sabata no fanesorana ny mofo aseho, koa inoana fa tamin'ny andro Sabata no nandosiran'i Davida. Nambaran'i Jesôsy fa raha tsy meloka tamin'ny nihinanany mofo aseho i Davida sy ireo zatovony, dia tsy meloka koa ny mpianatra raha nioty sy nikosoka salohim-bary ka nihinana.

Nohazavain'i Jesôsy avy eo fa natao hahasoa ny olona ny Sabata, fa tsy ny mifamadika amin'izany; ary ny fototra nanorenany izany fanambarany izany dia satria Izy no Tompon'ny Sabata.

Vakio ny Mar. 3:1-6. Ahoana no anazavan'io tantara io ilay tenin'i Jesõsy hoe: "Ny Sabata no natao ho an'ny olona"?

Tojo fanoherana avy amin'ireo mpitondra fivavahana indray i Jesõsy eto, mikasika ny Sabata. (Mariho tsara fa tsy fanafoanana ny fitandremana ny Sabata no resahina eto.) Tian'izy ireo homelohina i Jesõsy raha manasitrana amin'ny andro Sabata. Tsy natahotra ny niatrika azy ireo i Jesôsy. Napetrany mazava ny fifanoherana eo amin'ny manao soa sy ny manao ratsy, ary ny mamonjy aina sy ny mahafaty. Mibaribary ny tokony ho valin'ny fanontaniany: ny manao soa sy ny mamonjy aina no mety hatao amin'ny Sabata.

Dia nositranin'i Jesôsy ilay lehilahy; koa tezitra indrindra ireo mpanohitra Azy, ary avy hatrany dia nioko hahafaty Azy. Ny mahatsikaiky amin'izany tantara izany anefa dia ireto mpitondra fivavahana ireto indrindra no nandika ny Sabata tamin'ny niraisany tetika hamono Azy tamin'io andro masina ion besar yn

Inona ny lesona azonao tsoahina momba ny fitandremana ny Sabata eo am-pandinihana ireo tantara ireo sy ny olana atrehintsika ankehitriny momba ny fitandremana ny Sabata?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.
Sun 29 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Ny toerana misy antsika.
Mon 30 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fananarana, fibebahana ary
Tue 31 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fitiavana mandrakizay.
Wed 01 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Tomoera.
Thu 02 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Miray amin’ny voaloboka.
Fri 03 Apr 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fampidirana.
Sun 22 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Lesona momba ny asa fitoriana.
Mon 23 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mifandray ny fiangonana.
Tue 24 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Mitoetra marina ka hatoky tsara.
Wed 25 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Miaina eto amin’izao tontolo izao fa tsy naman’izao tontolo izao.
Thu 26 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Hafatra ho an’i Laodikia.
Fri 27 Mar 2026
Lesona 13: "HATOKY TSARA ΑΜΙΝ'ΙΖΑY REHETRA METY HO SITRAPON'ANDRIAMANITRA " - Fianarana fanampiny.
Sat 28 Mar 2026
Lesona 1: MIATRIKA NY TENA ZAVA-MISY MARINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal