Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

" INONA NO TIANAO HATAOKO AMINAO "

Daty
Alakamisy 22 August 2024

Vakio ny Mar. 10:46-52. Nanao ahoana ny fihetsik'i Bartimeo rehefa nandalo i Jesôsy?

Hatreto, afa-tsy tamin'ny toe-javatra vitsy monja, dia nilaza tamin'ny olona i Jesôsy mba tsy hilazalaza ny amin'ny fahagagana ataony sy ny maha-Izy Azy. Ato amin'ity tantara ity, raha vao niala tao Jerikô i Jesôsy dia nisy mpangataka jamba iray teo amoron-dalana nandre fa injany i Jesôsy avy any Nazareta, ka niantsoantso hoe: "Ry Jesôsy , Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!" — Mar. 10:47. Mifanaraka tsara amin'ny maha-boky manala sarona ny tsiambaratelo ny bokin'i Marka ny nataon'ny vahoaka, izay niteny mafy ilay jamba mba hangina, kanefa sasa-poana izy ireo nampangina azy.

Tsy nanaiky i Bartimeo fa vao mainka niantsoantso mafy hoe: "Ry Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko" — Mar. 10:48. Ny teniny dia nanambara ny finoana sy ny toky nananany fa i Jesôsy no Mesia ary mahay manasitrana azy. Tamin'ny andron'i Jesôsy, ny fiantsoana hoe: "Zanak'i Davida"dia mivoy hevitra roa: 1) ny fametrahana mpanjaka iray eo amin'ny seza fiandrianan'ny Isiraely (ampitahao amin'ny Isa. 11; Jer. 23:5,6; Jer. 33:15; Ezek. 34:23,24; Ezek. 37:24; Mika 5:2-4; Zak. 3:8; Zak. 6:12), ary ny hoe: 2) ho mpanasitrana sy mpandroaka demonia izany olona izany.

Dia nijanona i Jesôsy ka nampiantso ilay jamba. Misy heviny ny nanarian'ilay jamba ny lambany raha nanatona an'i Jesôsy izy. Nosokajiana ho iray laharana amin'ny mpitondratena sy ny kamboty ny jamba tamin'ny andron'i Jesôsy, dia izay ambany saranga indrindra eo amin'ny fiarahamonina. Olona mahantra sy fadiranovana indrindra izany. Ny Iamban'ity lehilahy ity dia naneho ny hany fiarovana ho azy, koa ny nanariany izany dia maneho ny finoany fa hanasitrana azy i Jesôsy.

Tsy nandiso ny fanantenany i Jesôsy. Eny tokoa, na iza na iza nanatona sy nila vonjy taminy dia nahazo izay nilainy mandrakariva. Mitovy amin'ilay fanontaniana napetrany tamin'i Jakôba sy i Jaona ao amin'ny Mar. 10:36 no napetrany taminy: "Inona no tianao hataoko aminao?" — Mar. 10:51. Tsy nihambahamba ilay jamba nangataka ny mba hampahiratina, ary dia nositranin'i Jesôsy niaraka tamin'izay izy. Dia nanaraka an'i Jesôsy teny an-dàlana izy.

lo tantara io no mamarana ilay fizarana miompana amin'ny fanofanana ny mpianatra, izay nanomboka tamin'ny fampahiratana jamba iray koa (Mar. 8:22-26). Ireo tantara roa manomboka sy mamarana ny fanofanana ireo dia manambara fa ny maha-mpianatra dia mitaky ny fananana fijery amin'ny maso vaovao, izay mety hanjavozavo amin'ny voalohany, saingy manaraka hatrany an'i Jesôsy eo amin'ny lalana izay soritany.

Tamin'ny fomba ahoana no efa niantsoantsoanao koa hoe: "Ry Jesôsy, Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!"? Dia inona no nitranga, ary inona ny lesona noraisinao avy amin'izany fanandramana izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana mariina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal