Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO FANOHARANA NATAON'I JESÔSY

Daty
Sabotsy 20 July 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: 

Mar. 4:1-34; Jak. 1:21; Isa. 6:1-13; Sal. 104:12; Dan. 4:10-12.

Tsianjery:

"Ary hoy Izy taminy: Diniho izay teny renareo; araka ny ohatra anoharanareo ihany no hanoharana ho anareo, ary homena mihoatra aza hianareo. Fa izay manana no homena; ary ny amin'izay tsy manana, na dia izay ananany aza dia halaina aminy." - Mar. 4:24,25.

Ireo fanoharana ao amin'ny Mar. 4 no ifantohan'ny lesontsika amin'ity herinandro ity. Ny filazantsaran'i Marka no ahitana fanoharana vitsy indrindra amin'ireo filazantsara izay manana fitoviana betsaka (Matio, Marka ary Lioka).

An-taonany maro ireo manam-pahaizana momba ny Baiboly no niady hevitra mikasika ny dikan'ireo fanoharana nataon'i Jesōsy sy ny fanazavana izany: ny fomba hanazavana sy ny hevitr'izany, ny antony nampiasan'i Jesôsy izany, ny lesona tian'ireny haseho, ary ny fomba tokony handraisana izany (ara-bakiteny na koa amin'ny maha sary an'ohatra azy), sns.

Mazava loatra fa tsy ho voavalintsika ao anatin'ny lesona amin'ity herinandro ity avokoa ireo fanontaniana rehetra ireo. Hodinihintsika izany, ary noho ny fahasoavan'Andriamanitra, dia ho takatsika ireo hevitra tian'i Jesõsy hambara amin'ny alalan'ireo fanoharana ireo.

Ahitana fanoharana dimy ao amin'ny Mar. 4: momba ny mpamafy, ny jiro, ny vata famarana, ny voa mitsimoka, ary ny voantsinapy. Saika mihodidina amin'ny fanoharana mikasika ny mpamafy io toko io. io fanoharana io no notantaraina voalohany, rehefa izay dia nambara ny antony nanaovany izany, ary manaraka izany ny fanazavana ilay fanoharana. Izany drafitry ny lahatsoratra misy dingana telo izany no hifantohan'ny lesontsika ho an'ny Alahady sy ny Alatsinainy ary ny Talata. Aorian'izay no hianarantsika ireo fanoharana ambiny, dia ny Alarobia sy ny Alakamisy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.
Sun 07 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.
Mon 08 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fanompoan-tsampy sy ny faharattsiana.
Tue 09 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Efa nanao ratsy ny oloko.
Wed 10 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fahatezeran’Andriamanitra ara-drariny.
Thu 11 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana
Fri 12 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fianarana fanampiny’
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Ny boky sy ny rà.
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Mahita an’Andriamanitra.
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Hery ho enti-mankatò.
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Feno ny Fanahin’Andriamanitra.
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny
Sat 06 Sep 2025
LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :
Sat 13 Sep 2025
LESONA 12 :

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal