Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

IREO VEHIVAVY NANKANY AMIN'NY FASANA

Daty
Talata 24 September 2024

"Niandry fatratra ny hahalasa ny oran'ny Sabata ireo vehivavy izay nijoro teo amin'ny hazo fijalian'i Kristy. Tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro, raha vao nazava ratsy ny andro, dia Jasa nankany amin'ny fasana izy, nitondra ireo zava-manitra sarobidy hanosorana ny fa -tin'ny Mpamonjy. Tsy nieritreritra ny momba ny hitsanganany amin'ny maty izy. Efa nilentika ny masoandron'ny fanantenany, ary nidina tao am-pony ny alina. Raha teny an-dalana izy, dia namerina nitantara ny asam-pamindrampo sy ny teny fampaherezana nataon'i Kristy. Tsy tsaroany anefa ny teniny hoe: hahita anareo indray Aho' - Jao. 16:22." - IFM, t. 847.

 Vakio ny Mar. 16:1-8. Inona no nitranga? Ary nanao ahoana ny fihetsik’ireo vehivavy ireo tamin'ny voalohany?

Vao manomboka ny filazantsara dia fantatry ny mpamaky fa i Jesôsy no Mesia. Kanefa ao amin'ny Iahatsoratra manontolo, ilay olona voalohany tsy demoniaka nanambara Azy ho Mesia dia i Petera, ao amin'ny Mar. 8:29. Ary efa any amin'ny antsasaky ny boky izany vao nambara! 

Manerana ny bokin'i Marka i Jesôsy dia nandrara ny olona tsy hilazalaza ny maha-Izy Azy sy ny momba ny fanasitranany azy ireo. Ao amin'ny Mar. 1:44 dia norarany tsy hilaza na amin'iza na amin'iza ny fahasitranany ilay boka. Ao amin'ny Mar. 5:43 dia niteny tamin'i Jairo sy ny vadiny Izy mba tsy hanambara amin'ny olona ny nananganana ny zanany vavy tamin'ny maty. Nisy vondron'oiona koa tao amin'ny Mar. 7:36 noraran'i Jesôsy tsy hilazalaza ny nanasitranany ilay Iehilahy moana sy marenina. Ary avy eo dia nandidy ny mpianatra Izy tsy hanambara amin'ny olona fa Izy no Mesia (Mar. 8:30, jereo koa ny Mar. 9:9). Tsy isalasalana fa ny tena antony nampanginan'i Jesôsy azy ireo tsy hiteny dia ny mba hananany fotoana hamitana ny asany araka ny fotoana notondroin'ny faminanian'i Daniela, ao amin'ny Dan. 9:24-27.

Izao koa, eto amin'ity tantara ity, na dia efa nilazana aza ireto vehivavy ireto fa nitsangana tamin'ny maty i Jesôsy, tao anatin'ny tahony sy ny fahagagany dia tsy nitantara momba izay zava-nitranga izy ireo, farafaharatsiny tamin'ny voalohany.

Tsy naharitra ela anefa izany fanginany izany. Inona no hitantsika any amin'ny faran'ny bokin'i Marka? "Fa izy ireo kosa dia lasa ka nitory teny eny tontolo eny, ary ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy."- Mar. 16:20.

Araka izany, tsy mitombina intsony ny fanginana mikasika an'i Jesôsy sy ny maha-Izy Azy ary ny asany. Miafara amin'ny fitoriana teny "eny tontolo eny" ny boky.

Nahoana no tsy azontsika atao ny mangina tsy milaza ny amin’i Jesôsy sy ny asany? Anio, iza no azonao iresahana momba an'i Jesôsy sy ny drafi-panavotana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal