Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Jehôvah no mpanjaka

Daty
Alatsinainy 15 January 2024

Mifandray akaiky amin'ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra, eny tsy afa- misaraka mihitsy aza, ny maha-Mpanjaka sy Mpanapaka Azy. Ambara amin'ny fomba manetriketrika ny hoe: "Jehovah no Mpanjaka" ao amin'ny Sal. 93:1; Sal. 96:10; Sal. 97:1 ary ny Sal. 99:1, nefa manerana ny bokin'ny Salamo kosa no amerimberenana ny hevitr'izany.

Mitafy voninahitra sy fiandrianana ary hery Jehovah (Sal. 93:1; Sal. 104:1). Hodidinin'ny rahona sy ny haizim-pito Izy (Sal. 97:2), nefa koa "mitafy ny mazava tahaka ny lamba Izy' - Sal. 104:2. Manandratra ny herin'ny Mpanjaka sy ny famirapiratany ireo sary an'ohatra ireo, ary nofidina tamim-pitandremana fatratra mba hanehoana ny fahalehibeazan'Andriamanitra tsy misy toa azy izay tsy takatry ny fisainan'olombelona.

Vakio ny Sal. 97. Toy ny ahoana ny fiandrianan'Andriamanitra? (Sal. 97:2,10). Aiza ny faritry ny fanjakany? (Sal. 97:1, 5, 9)

Miseho eo amin'ny asa famoronany (Sal. 96:5) sy ny famonjeny (Sal. 98:2) ary ny fitsarany (Sal. 96:10) ny fanapahan'Andriamanitra. Manorina ny fanjakany ambonin'izao tontolo rehetra izao Izy (Sal. 47:6-9). Fanjakana mandrakizay ny fanjakan'Andriamanitra; tsy misy tahaka izany amin'ny heriny sy ny fiandrianany (Sal. 45:6; Sal. 93:1,2; Sal. 103:19). Miorina amin'ny famindrampo sy ny rariny ary ny fahamarinana ny fanjakan'Andriamanitra, ary mitondra filaminana sy fiadanana ho an'ny tontolo nohariana izany (Sal. 98:3; Sal. 99:4). Mampikambana ireo izay miankohoka amin'Andriamanitra any an-danitra sy ety an-tany amin'ny fiderana Azy ny Fanapahany (Sal. 103:20-22; Sal. 148). Salamo marobe no maneho ny taranak'olombelona rehetra miaiky ny maha-Mpanjaka an'Andriamanitra (Sal. 96:10; Sal. 97:1; Sal. 99:1; Sal. 145:11-13).

Tsy ny olona rehetra anefa, na koa ny mpanapaka eto an-tany no manao izany, farafahakeliny amin'izao fotoana izao. Mihaika mandrakariva ny fiandrianan'Andriamanitra ireo ratsy fanahy, izay mandà sy maniratsira ny Tompo ary mampahory ny olony (Sal. 14:1; Sal. 74:3-22). Na dia eo aza ny fahombiazan'ny ratsy fanahy sasany sy ny fahari-pon'Andriamanitra amin'izy ireny, dia matoky ny maha-Mpanjaka an'Andriamanitra ny mpanao Salamo ary mbola mitoetra ao amin'ny fahazoana antoka ny fitsarana marina ataony (Sal. 68:21; Sal. 73:17-20). Amim-pinoana no iravoravoan'ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny fiantombohan'ny fanjakan'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny asa fanavotana nataon'i Kristy sy iandrasan'izy ireo ny fahatanterahan'izany fanjakana izany amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany (Mat. 12:26-28; 1 Kor. 15:20- 28).

"Hianareo izay tia an'i Jehovah, mankahalà ny ratsy" - Sal. 97:10. Nahoana ny fitiavantsika an'Andriamanitra no tokony hahatonga, antsika hankahala ny ratsy? Ahoana no ifandraisan'ireo hevitra roa ireo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal