Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 04 October 2024

"Tsy nanome toky azy ny hisian'ny fanampian'Andriamanitra Jesôsy . Azon-dralehilahy natao ny nihazohazo, ka ho very eo ny hany fotoana mety hahasitrana azy. Nino ny tenin'i Kristy anefa izy, ka ny fanatanterahany izany no nahazoany hery."

"Amin'ny alalan'ny finoana toy izany dia azontsika atao ny hahazo fanasitranana ara-panahy. Noho ny ota dia tafasaraka tamin'ny fiainan’Andriamanitra isika. Malemy tsy afa-mihetsika ny fanahintsika. Raha isika ihany dia tsy vitantsika ny miaina amin'ny fiainana masina tahaka ny tsy hahavitan'ilay lehilahy malemy mandeha. (...) Aoka ireo olona kivy, mitolona, ireo hitraka. Miondrika eo amin'ireo novidiny tamin'ny rany ny Mpamonjy, miteny aminy amim-pitiavana sy amim-pangorahana manao hoe: Te ho sitrana va hianao?' Mibaiko anao Izy mba hitsangana salama sy miadana finaritra. Aza miandry ny hahatsapa hoe sitrana ianao. Inoy ny teniny, dia ho tanteraka izany. Apetraho hiandany amin'i Kristy ny sitraponao. Mikasà hanompo azy, fa amin'ny fanatanterahanao ny teniny dia hahazo hery ianao. Na inona na inona fanao ratsy, ny firehetam-po nomena fahafaham-po mamatotra ny fanahy sy ny vatana, dia azon'i Kristy atao sady iriny indrindra ny hanafaka amin'izany. Homeny fiainana ny fanahy izay 'matin'ny fahadisoany' - Efes. 2:1. Hanafaka ny babo izay hazonin'ny fahalemena sy ny fahoriana ary ny gadran'ny fahotana Izy.'" - lFM, tt. 150,151.

"Nolavin'i Jesôsy ny fiampangana Azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra. Ny fahefako, hoy lzy, hanao ny asa izay iampanganareo Ahy, dia satria Izaho no ZanakAndriamanitra, iray toetra Aminy, ao amin'ny sitrapo sy eo amin'ny fikasana." - I FM, t. 155.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Saintsaino ny lesona mandritra ity herinandro ity. Ny finoana no tsiambaratelo nahatanteraka ireo fanasitranana ireo. Naneho fisalasalana sy tsy finoana mampidi-doza kosa ireo mpitondra fivavahana. Nahoana isika no tsy tokony hanafangaro ny fametrahana fanontaniana (izay ataon'ny rehetra) sy ny fisalasalana? Nahoana no samy hafa izany, ary nahoana no manan-danja ny fahaizana manavaka ireo?

2. Jereo ny fanontaniana farany ao amin'ny fizarana Alakamisy. Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, nahoana isika no tokony hitandrina ny amin'izany zavatra mampidi-doza izany? Na dia zava-dehibe aza ny fahalalana sy ny fitandremana ny andro Sabata, na koa ny fahafantarana ny toetry ny maty, nahoana ireo fahamarinana ireo no tsy mahavonjy antsika? Inona no mahavonjy, ary amin'ny fomba ahoana?

3. Diniho tsara ny Jao. 5:47. Ireo izay manda ny Safodrano ho nanenika an'izao tontolo izao na ny famoronana nandritra ny enina andro ara-bakiteny dia manao ny zavatra izay nampitandreman'i Jesôsy eto, amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal