Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 04 October 2024

"Tsy nanome toky azy ny hisian'ny fanampian'Andriamanitra Jesôsy . Azon-dralehilahy natao ny nihazohazo, ka ho very eo ny hany fotoana mety hahasitrana azy. Nino ny tenin'i Kristy anefa izy, ka ny fanatanterahany izany no nahazoany hery."

"Amin'ny alalan'ny finoana toy izany dia azontsika atao ny hahazo fanasitranana ara-panahy. Noho ny ota dia tafasaraka tamin'ny fiainan’Andriamanitra isika. Malemy tsy afa-mihetsika ny fanahintsika. Raha isika ihany dia tsy vitantsika ny miaina amin'ny fiainana masina tahaka ny tsy hahavitan'ilay lehilahy malemy mandeha. (...) Aoka ireo olona kivy, mitolona, ireo hitraka. Miondrika eo amin'ireo novidiny tamin'ny rany ny Mpamonjy, miteny aminy amim-pitiavana sy amim-pangorahana manao hoe: Te ho sitrana va hianao?' Mibaiko anao Izy mba hitsangana salama sy miadana finaritra. Aza miandry ny hahatsapa hoe sitrana ianao. Inoy ny teniny, dia ho tanteraka izany. Apetraho hiandany amin'i Kristy ny sitraponao. Mikasà hanompo azy, fa amin'ny fanatanterahanao ny teniny dia hahazo hery ianao. Na inona na inona fanao ratsy, ny firehetam-po nomena fahafaham-po mamatotra ny fanahy sy ny vatana, dia azon'i Kristy atao sady iriny indrindra ny hanafaka amin'izany. Homeny fiainana ny fanahy izay 'matin'ny fahadisoany' - Efes. 2:1. Hanafaka ny babo izay hazonin'ny fahalemena sy ny fahoriana ary ny gadran'ny fahotana Izy.'" - lFM, tt. 150,151.

"Nolavin'i Jesôsy ny fiampangana Azy ho niteny ratsy an’Andriamanitra. Ny fahefako, hoy lzy, hanao ny asa izay iampanganareo Ahy, dia satria Izaho no ZanakAndriamanitra, iray toetra Aminy, ao amin'ny sitrapo sy eo amin'ny fikasana." - I FM, t. 155.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra :
1. Saintsaino ny lesona mandritra ity herinandro ity. Ny finoana no tsiambaratelo nahatanteraka ireo fanasitranana ireo. Naneho fisalasalana sy tsy finoana mampidi-doza kosa ireo mpitondra fivavahana. Nahoana isika no tsy tokony hanafangaro ny fametrahana fanontaniana (izay ataon'ny rehetra) sy ny fisalasalana? Nahoana no samy hafa izany, ary nahoana no manan-danja ny fahaizana manavaka ireo?

2. Jereo ny fanontaniana farany ao amin'ny fizarana Alakamisy. Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika, nahoana isika no tokony hitandrina ny amin'izany zavatra mampidi-doza izany? Na dia zava-dehibe aza ny fahalalana sy ny fitandremana ny andro Sabata, na koa ny fahafantarana ny toetry ny maty, nahoana ireo fahamarinana ireo no tsy mahavonjy antsika? Inona no mahavonjy, ary amin'ny fomba ahoana?

3. Diniho tsara ny Jao. 5:47. Ireo izay manda ny Safodrano ho nanenika an'izao tontolo izao na ny famoronana nandritra ny enina andro ara-bakiteny dia manao ny zavatra izay nampitandreman'i Jesôsy eto, amin'ny fomba ahoana? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal