Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ilay fampakaram-bady tao Kana

Daty
Alahady 29 September 2024

Vakio ny Jao. 2:1-11. Inona ny famantarana nataon'i Jesôsy tao Kana, ary ahoana  no nanampian'izany an'ireo mpianany hino Azy?

Porofo nandrisika ny fanapahan-kevitr’ireo mpianatra ny hanaraka an’i Jesôsy ny fahitana an’i Jesôsy nanao fahagagana tamin’ny nanovany ny rano ho divay. Ahoana moa no tsy inoana fa famantarana lehibe manondro ny maha-avy amin’Andriamanitra Azy izany? (Azo heverina fa tsy mbola nahatakatra ny maha-Andriamanitra Azy izy ireo tamin’izany).

Mpitarika ny Isiraelita i Mosesy, ary nitondra azy ireo nivoaka an’i Egipta tamin’ny “famantarana sy fahagagana” – Deo. 6:22; Deo. 26:8. Izy no nampiasain’Andriamanitra mba hanafaka ny Isiraely tamin’ny tanan’ireo Egiptianina. (Azo lazaina ho “mpamonjy” azy ireo izy tamin’izany).

Naminany tamin’ny alalan’i Mosesy Andriamanitra ka nilaza fa hisy mpaminany ho avy izay tahaka azy (Mosesy). Nasain’Andriamanitra nihaino an’io Mpaminany io ny Isiraely (Deo. 18:15; Mat. 17:5; Asa. 7:37). I Jesôsy io “mpaminany” io ary naneho ny famantarany voalohany Izy ao amin’ny Jao. 2, izay mampitodika amin’ny fanafahana ny zanak'lsiraely tao Egipta.

Sady namelona an’ireo Egiptianina ny onin’i Neily no andriamanitra nivavahany. Niantefa tamin’io renirano io ny anankiray tamin’ireo loza avy amin’Andriamanitra – ny nanovana ny rano ho ra. Nanao fahagagana nânam-pitoviana tamin’izany i Jesôsy tao Kana; tsy novany ho ra kosa anefa ny rano fa novany ho divay.

Siny enina izay nampiasaina ho amin’ny fanadiovana araka ny fombafomba jiosy no nasiana ny rano; nampifandray ilay fahagagana bebe kokoa tamin’ireo lohahevitry ny famonjena ao amin’ny Baiboly izany. Ny fitantaran’i Jaona ny nanovana ny rano ho divay, izay mampitodika ho amin’ny fanafahana ny zanak'lsiraely, dia manondro an’i Jesôsy ho Mpanafaka antsika.

Inona no noheverin'ilay mpandahatra ny fanasana momba ny divay tsy nialona andro avy tamin’i Jesôsy? Gaga aoka izany izy noho ny hatsaran’ilay zava-pisotro, ary noho ny tsy fahafantarany ny fahagagana nataon’i Jesôsy dia noheveriny fa notehirizina ho amin’ny farany ny divay tsara indrindra.

Samy antsoina amin’ny teny grika hoe oinos ny ranom-boaloboka vaovao sy ny efa niotrika (jereo ny Seventh-day Adventist Bible Dictionary, t. 1177). Nambaran'i Ellen G. White fa tsy nisy alkaola ny ranom-boaloboka vokatr’ilay fahagagana (jereo ny “Teo amin’ny fanasana fampakaram-bady" ao amin’ny IFM, t. 143). Tsy isalasalana ny fitalanjonan’ireo izay nahalala ny amin’ny zava-nitranga tamin’io fotoana io.

Inona ny antony anarahanao an’i Jesôsy? (Marobe ny antony nomena antsika, sa tsy izany?)

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal