Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1 - IREO FAMANTARANA MANONDRO NY LALANA : Ny fanambaran’i Jesôsy momba ny tenany

Daty
Alakamisy 03 October 2024

Fotoana nety indrindra nahafahan'i Jaona nanasongadina ny maha-Izy an'i Jesôsy ny fahagagana tao amin'ny farihin'i Betesda. Andininy miisa sivy no nentiny nilazalaza momba io fahagagana io ary andininy 40 teo ho eo kosa (jereo eo ambany) no nentiny nilazalaza ny momba Ilay nanatanteraka izany fahagagana izany.

Vakio ny Jao. 5:16-18. Nahoana i Jesôsy no nenjehina noho ny zavatra nataony tamin'ny Sabata?

Mety ho hafahafa ny Jao. 5:18 satria toy ny milaza izany fa nandika ny Sabata i Jesôsy. Rehefa dinihina akaiky anefa ny Jao. 5:16-18 dia hitantsika ny fanambaran'i Jesôsy fa ny "asa" nataony tamin'ny Sabata dia nifanindran-dalana tamin'ny fifandraisany amin'ny Rainy. Tsy mampitsahatra ny famelomany an'izao tontolo rehetra izao Andriamanitra rehefa Sabata. Araka izany, ny fihetsika nataon'i Jesôsy tamin'ny andro Sabata dia anisan'n'y fanehoany ny maha-Andriamanitra Azy. Nanenjika Azy ireo mpitondra fivavahana noho ny amin'izay noheverin'izy ireo ho fandikana ny Sabata sy ny fanambarany ny fitoviany amin'Andriamanitra.

Vakio ny Jao. 5:19-47. Inona no nambaran'i Jesôsy mba hanampiana ireo mpitarika hahita Azy araka izay tena toeny tokoa, fanambarana momba ny Tenany izay niseho tamin'ny fomba miezinezina tamin'ny alalan'ny fahagagana izay vao avy nataony?

Dingana telo no nentin'i Jesôsy niaro ny asa nataony :     
Voalohany, nohazavainy ny fifandraisany ety ananany amin'ny Ray (Jao. 5:19-30). Ambaran'i Jesôsy fa miasa amim-pirindrana amin'ny Rainy Izy; nolazainy mihitsy aza fa manana fahefana hitsara sy hanangana ny maty Izy (Jao. 5:25-30).

Faharoa, niantso "vavolombelona" efatra nifandimby izay manambara Azy i Jesôsy taorian'ny fiarovan-tenany: (1) i Jaona Mpanao batisa (Jao. 5:31-35); (2) ny fahagagana nataony (Jesôsy) (Jao. 5:36); (3) Andriamanitra Ray (Jao. 5:37,38); ary (4) ny Soratra Masina (Jao. 5:39). Samy manao fanambarana mikasika an'i Jesôsy ireo "vavolombelona" ireo.

Farany, ahariharin'i Jesôsy Manoloana ireo mpiampanga Azy ny fahamelohan'izy ireo, ao amin'ny Jao. 5:40-47, izay anehoany ny fahasamihafana eo amin'ny Asany sy ny fitadiavan'izy ireo ny tombontsoany manokana. Nambaran'i Jesôsy fa i Mosesy izay nitokian'izy ireo no hanameloka azy (Jao. 5:45-47).

Ahoana no hitandremantsika mba tsy ho lavo ao anatin'ny fandriky ny finoana an'Andriamanitra, na ny fananana ny foto-pampianarana marina mihitsy aza, kanefa tsy manana fileferana tanteraka amin'i Kristy? Ento ao amin'ny kilasy ny valin-teninao amin'ny Sabata. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal