ZOMA 2 Oktobra
Tsy tamin'ny andron'ny Baiboly ihany no ifandraisan'Andriamanitra amin'ny olombelona. Ho hitantsika amin'ireo herinandro ho avy fa mbola miteny arnin'ny olona hatrany lzy, ary hiseho amin'ny fomba moderina ny teniny mandra-piverin'i Kristy. I Ellen Gould Harmon White sy ny rahavaviny kambana aminy, Elizabeth Harmon, dia teraka tamin'ny 26 Novambra 1827 tany Gorham, Maine. Izy ireo no faravavy tamin'ireo zanaka valo naterakli Eunice sy i Robert Harmon. Taona vitsy taty aoriana, nifindra tany amin'ny tananan'i Portland (Maine) ny fianakaviany; nikasa hanitatra ny orinasany fanamboarana satroka ingahy Robert Harmon. Rehefa 9 taona i Ellen, dia nisy ratra nahazo azy izay nisy fiantraikany taminy leo amin'ny lafiny ara-batana sy ara-pihetseham-po ary ara-piarahamonina. Raha tao amin'ny zaridaina iray akaikin'ny tranony izy, dia nisy mpiara-mianatra taminy tezitra ka nanipy vato izay nahavoa ny tarehiny; vokatr'izany dia torana tsy nahatsiaro tena nandritra ny herinandro maromaro izy. lo laza io no nampitsahatra tampoka ny fianarany tany an-tsekoly sy nitarika olana ara-pahasalamana izay natrehiny nandritra ny androm-piainany. Nahatonga azy ho menatra momba ny endriny koa io ratra teo amin'ny tavany io, ka nampihena ny fifandraisany tamin'ny fiarahamonina. Tao anatin'izany toe-javatra feno fisalasalana izany no nanombohan'llay tovovavy Ellen Harmon nieritreritra momba ny hoaviny ara-panahy. Natahotra an'Andriamanitra izy ary nahatsapa fa tsy mendrika ny lanitra ny tenany. Nihamafy izany fahatsapana izany rehefa resy lahatry ny fampianaran'ireo Milerita momba ny fiavian'i Jesosy fanindroany tsy ho ela ny fianakaviany. Na dia natao batisa asitrika tao amin'ny Fiangonana Metodista tamin'ny taona 1842 aza izy, dia mbola tsy nahatsapa ho mendrika ny fitiavan'Andriamanitra ihany. Nihevitra izy fa ho "very manclrakizay' (Life Sketches of Ellen G. White, 1. 29; jereo koa ny tt. 20-31). Tao anatin'ireo eritreritra mampahory ireo dia nahita nofy roa i Ellen, nofy izay nanomboka nanova ny fomba fijeriny an'Andriamanitra. Kanefa tsy nahatakatra sy nahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahasoavany izy raha tsy nihaona tamin'ny mpitoriteny metodista iray, Levi Stockman. Toy ny hoe niteny taminy Andriamanitra raha tag anatin'ny fahakiviana izy. Nanoratra izy taty aoriana hoe: "Nameno ny foko ny finoana. Nahatsapa fitiavana tsy hay ambara ho an'Andriamanitra aho ary nahatsapa ny fanambaran'ny Fanahiny fa voavela ny heloko. Niova ny fomba fijeriko ny Ray. Ankehitriny dia Ray tsars fanahy sy be fitiavana no fahitako Azy, fa tsy mpanao didy jadona masiaka manery ny olona hankato an-jambany. Lalina sy mivaivay ny fitiavana Azy ao am-poko."—Life Sketches of Ellen G. White, t. 39. Tamin'izany fotoana izany koa no nahatakaran'i Ellen White ny fampianarana momba ny "toetry ny maty" ary takany tsikelikely fa tsy mist' ny helo mirehitra mandrakizay. Nanova tanteraka ny toe-tsainy io fahatakarana vaovao momba an'Andriamanitra sy ny Fitiavany io. Hianarantsika isaky ny Zoma fa nanjary tia fatratra an'i Jesôsy i Ellen White ka nanompo Azy nandritra ny fiainany manontolo.
Azonao tsidihina ny https://whiteestate.orgiabsgil.
Daty
Zoma 02 October 2026