Inona no ambaran'ireto toko sy andininy manaraka ireto momba ny fomba nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona taorian'ny nidirareny fahotana? (Vakio ny Neb. 1:1,2; Rôm. 1:19,20; Nom. 12:6; 2 Tim. 3:16,17; Jao. 14:7-9; Jao. 10:27-30)
Na eo aza ny fahotana, dia nahita fomba maro Andriamanitra mba hifandraisana amin'ny olombelona lay°. Anisan'ny fomba anehoany ny Tenany amintsika ny famoronana. Fanambarana miezinezina momba ny asa mahagaga ataony ny zavaboary. Talanjona ny mpahay siansa noho ireo zava-mahagaga eto amin'ny tontolo midadasika miry antsika sy noho ny fahasarotan'ny firafitry ny aina na dia ao amin'ireo zava-manana aina heverina ho "tsotra indrindra" aza. Hita eo amin'ny zavaboary koa anefa ny vokatry ny fahalavoana; ny fahafatesan'ny zava-manana aina rehetra no ohatra lehibe indrindra amin'izany.
Fomba iray hafa nitenenan'Andriamanitra tamin'ny olona koa ny fampiasany ny mpaminany, olona izay nofidiny ho mpitondra teniny. Ohatra amin'izany ny nitenenan'Andriamanitra tamin'i Noa, Abrahama, Mosesy ary Daniela, ka nanambarany ny sitrapony ho an'ny vahoakany. Raha fotorina, ny hafa-paminaniana avyamin'Andriamanitra dia fampahatsiahivana fa tsy nanadino ny zanany izy ary mbola miaraka amin'izy ireo hatrany. Nisy ireo mpaminany nanoratra ny antsointsika hoe Soratra Masina, fa ny sasany kosa tsy mba nanoratra na dia boky iray aza ao amin'ny Baiboly.
Na izany aza, maro tamin'ireo tenin'ny mpaminany no nampitaina tamin'ny alalan'ny Soratra Masina (2 Tim. 3:16,17). Fanambaran'Andriarnanitra momba ny Tenany ny Baiboly. Amin'ny alalan'ny Teniny no ahafantarantsika ny momba Azy sy ny toetoetrany; ao no ahitantsika ny fitiavany tsy mety lefy sy ny torolalany mikasika ny fomba tokony hiainantsika.
Ankoatra izany, amin'ny alalan'ny Baiboly no ahatakarantsika hoe iza isika, avy aiza, ary ho aiza. Ao no ahitantsika ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny fiainantsika.
Ny fomba mahomby indrindra nitenenan'Andriamanitra tamintsika anefa dia tamin'ny alalan'i Jesôsy Kristy, izay ampahafantarina antsika ao amin'ny Baiboly. Tahaka ny nitadiavan'Andriamanitra an'i Adama sy i Eva tao amin'ny saha Edena, no nahatongavan'i Kristy mba uhitady sy hamonjy ny veni' - Lio. 19:10. Hoy i Jesôsy: "Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray" - Jao. 14:9. Tamin'ny alalan'ny fiainany sy ny fahafatesany ary ny fitsanganany tamin'ny maty no nanatanterahan'i Kristy ilay teny fikasana nomena an'i Adama sy i Eva tao Edena. Tonga Izy ary maty nisolo antsika mba hananantsika fiainana mandrakizay amin'ny alalany.
Taorian'ny niakaran'i Jesôsy ho any an-danitra, dia mbola manohy mitari-dalana antsika ho amin'ny "marina rehetra" sy milaza amintsika ny "zavatra ho avy ny Fanahy Masina (Jao. 16:13).
Fampiononana manao ahoana no azonao noho ny fahafantarana fa maneho amintsika ny mombamomba an'Andriamanitra sy ny tena toetrany i Jesôsy sy ny fitiavany ary ny toetrany sy ny nanolorany ny ainy?