Vakio ny Asa. 18:1-3, 1 Kor. 5:9-11, ary 1 Kor. 8:4. Inona no azontsika lazalna momba ny toekarena, ny fitondrantena ary ny flainana ara-pivavahana tao Korinto?
Ivon-toerana manan-danja teo amin'ny tontolo fahiny i Korinto, izay nalaza tamin'ny firoboroboan'ny varotra tao. Noravan'i Roma ny tanana tamin'ny taona 146 TIK. ary naorin'i Jolio Kaisara indray tamin'ny maha-zanatany romana azy tamin'ny taona 44 TIK. Io Korinto romanina io no ao amin'ny Testamenta Vaovao. Tamin'ny andron'i Paoly dia iray amin'ireo mpifaninana amin'i Atena i Korinto, ary efa nihoatra azy tamin'ny lafiny maro aza. Nanana seranantsambo roa lehibe i Korinto izay nanamora ny fifanakalozana entana sy ny fampandrosoana ny varotra tao aminy.
Nifidy an'i Korinto tokoa i Paoly noho ny lazany sy ny toerana tsara ara-jeografika nisy azy. "Toy izany no nahafahana nampiely ny filazantsara. Rehefa tafiditra ao Korinto izany, dia ho mora ny hampita azy any amin'ny faritra rehetra eo amin'izao tontolo izao." Sketches From the Life of Paul, t. 99.
Ankoatra izany dia nanamora ny asa fiveloman'i Paoly tamin'ny alalan'ny fanamboarana sy fivarotana lay ny firoboroboan'ny varotra tao Korinto, sady nahafahany nitory ny filazantsara tao amin'izany tanana izany (Asa. 18:2,3). Mazava loatra fa tsy maintsy misy ny olana rehefa manao asa misionera any amin'ny tanàna lehibe sy manan-karena. Nampiavaka an'i Korinto ny fivavahana amin'andriamanitra maro samihafa (1 Kôr. 8:5), izay hita taratra amin'ireo tempoly maro naorina ho fanomezam-boninahitra ireo andriamanitra toy an'i "Apollon", "Athéna", ary "Aphrodite", sy ny maro hafa, ary na dia ny fivavahana amin'ireo andriamanitra egyptianina toa an'i "Sérapis" sy "Isis" aza.
Ankoatra izany savorovoro ara-pivavahana izany, dia nalaza tamin'ny fahalotoam-pitondrantena koa i Korinto. Milaza i Strabon, mpahaitoetany sy manam-pahaizana momba ny tantara grika, fa vehivavy janga 1.000 no natokana hanompo an'i Aphrodite tao amin'ny tempoliny tany Korinto. Na maro aza ireo mpandinika misalasala ny amin'izany ary mampifandray io filazana io amin'ny tsaho nataon'ny Atenianina hanoherana an'i Korinto, dia fanao mahazatra teo amin'ny tontolo fahiny ny fijangajangana ara-pombam-pivavahana. Olana tao Korinto, toy ny any amin'ny toerana hafa rehetra ny fahalotoam-pitondrantena. Efa nanjary fiainana isan'andro ny fanompoan-tsampy sy ny fahalotoam-pitondrantena, ary izany zava-misy mampalahelo izany no manazava ny ampahany betsaka amin'ny votoatin'ny epistily voalohany sy faharoa ho an'ny Korintiana.
Tojo olana maro mifandralka amin'ny fiarahamonina mpanompo sampy sy tia ny filan'ny nofo i Paoly nandritra ny asa misionera nataony tao Korinto. Inona avy ireo olana amin'ny kolontsaina ankehitriny izay mety hanasarotra ny fitoriana ny filazantsara? Ahoana no ahafahantsika mandresy izany? Inona no maha-samihafa an'i Korinto sy ny tananantsika ankehitriny, raha misy?