Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Ambinina sy mahomby.

Daty
Alakamisy 02 October 2025

AMBININA SY MAHOMBY

Vakio ny Jos. 1:7-9 miaraka amin'ny Gen. 24:40: Isa. 53:10ary ny Sal. 1:1-3. Raha jerena ireo toko sy andininy ireo, inona no hevitry ny hoe mahazo fanambinana sy mahita fahombiazana?

Ny teny hebreo tsalakh, "hambinina" (Jos. 1:8), dia midika ho fahatanterahan izay nokasaina ka mahafa-po, na koa toe-javatra iray izay mahasoa.

Ny teny hoe sakal, "ho hita ho hendry" (Jos. 1:8, jereo ny naoty eny ambany), dia azo adika hoe "ambinina" na koa "mahomby." Midika hoe "malina" koa anefa izany, na koa hoe "manao zavatra amim-pahendrena." Hita matetika ao amin'ny bokin'i Joba sy ny Ohabolana ary ny Salamo io teny io, izay mampifandray akaiky ny fahombiazana amin'ny fanaovan-javatra amim-pahendrena - ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Teniny.

Araka izany fomba fijery izany, dia tsy voatery ny fanambinana ara-materialy no mamaritra ny fahombiazana, na dia tsy manilika azy aza izany. Izao no tokony hoheverina ho fahombiazana: firindrana amin'ireo soatoavina sy fitsipika ara-panahy izay iorenan'ny tontolo noharian Andriamanitra ary koa voaseho ao amin'ny Lalàny.

Eny tokoa, tsy mifanohitra tsy akory ny fitokisana amin'ny teny fikasan'Andriamanitra, indrindra ny teny fikasana momba ny famonjena amin'ny finoana irery ihany, sy ny fankatoavana ny Lalány. Tahaka ireo lafiny roa amin'ny vola madinika izany.

Vakio ny Rôm. 3:31. Inona no ambaran'ireo andalan-tSoratra Masina ireo momba ny fifandraisan'ny lalana sy ny finoana?

Fomba fijery diso sy mampidi-doza ny mampifanohitra ny finoana ny fahafatesan'i Jesôsy izay avotra sy sorona ho antsika amin'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Miara-dalana mandrakariva mantsy ny lalana sy ny fahasoavana. Ny fahatakarana ivelambelany fotsiny ny anjara asan'ny lalana ihany no mitarika ho amin'ny fiheverana fa mifanohitra ny "lalana" sy ny "fahasoavana."

Nomen'ireo mpanoratra ny TT tombambidy ambony dia ambony ny lalan'Andriamanitra ary noraisiny ho zava-maharavoravo (Sal. 1:2; Sal. 119:70, 77, 174). Hitarika ho amin'ny fahatakarantsika lalindalina kokoa ny maha-mpanota antsika (Rôm. 7:7) sy ny filantsika ny fahamarinan'i Kristy (Gal. 3:24) ny fiheverana sy ny fampiasana ny lalana araka ny tokony ho izy.

Na dia miezaka ny hitandrina ny lalàna, noho ny fahasoavan'Andriamanitra aza ianao, ahoana no anehoan'ny fanandramanao manokana fa mila ny fahamarinan'i Kristy mba handrakotra anao ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana
Sun 09 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny fanekena aloha.
Mon 10 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Ny Paska.
Tue 11 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Alintaram-panavaozana
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Wed 12 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Nosoratana teo amin’ny vato.
Thu 13 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Maniry fatratra ny fanatrehan’Andriamanitra.
Fri 14 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal