Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Ambinina sy mahomby.

Daty
Alakamisy 02 October 2025

AMBININA SY MAHOMBY

Vakio ny Jos. 1:7-9 miaraka amin'ny Gen. 24:40: Isa. 53:10ary ny Sal. 1:1-3. Raha jerena ireo toko sy andininy ireo, inona no hevitry ny hoe mahazo fanambinana sy mahita fahombiazana?

Ny teny hebreo tsalakh, "hambinina" (Jos. 1:8), dia midika ho fahatanterahan izay nokasaina ka mahafa-po, na koa toe-javatra iray izay mahasoa.

Ny teny hoe sakal, "ho hita ho hendry" (Jos. 1:8, jereo ny naoty eny ambany), dia azo adika hoe "ambinina" na koa "mahomby." Midika hoe "malina" koa anefa izany, na koa hoe "manao zavatra amim-pahendrena." Hita matetika ao amin'ny bokin'i Joba sy ny Ohabolana ary ny Salamo io teny io, izay mampifandray akaiky ny fahombiazana amin'ny fanaovan-javatra amim-pahendrena - ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Teniny.

Araka izany fomba fijery izany, dia tsy voatery ny fanambinana ara-materialy no mamaritra ny fahombiazana, na dia tsy manilika azy aza izany. Izao no tokony hoheverina ho fahombiazana: firindrana amin'ireo soatoavina sy fitsipika ara-panahy izay iorenan'ny tontolo noharian Andriamanitra ary koa voaseho ao amin'ny Lalàny.

Eny tokoa, tsy mifanohitra tsy akory ny fitokisana amin'ny teny fikasan'Andriamanitra, indrindra ny teny fikasana momba ny famonjena amin'ny finoana irery ihany, sy ny fankatoavana ny Lalány. Tahaka ireo lafiny roa amin'ny vola madinika izany.

Vakio ny Rôm. 3:31. Inona no ambaran'ireo andalan-tSoratra Masina ireo momba ny fifandraisan'ny lalana sy ny finoana?

Fomba fijery diso sy mampidi-doza ny mampifanohitra ny finoana ny fahafatesan'i Jesôsy izay avotra sy sorona ho antsika amin'ny fankatoavana ny didin'Andriamanitra. Miara-dalana mandrakariva mantsy ny lalana sy ny fahasoavana. Ny fahatakarana ivelambelany fotsiny ny anjara asan'ny lalana ihany no mitarika ho amin'ny fiheverana fa mifanohitra ny "lalana" sy ny "fahasoavana."

Nomen'ireo mpanoratra ny TT tombambidy ambony dia ambony ny lalan'Andriamanitra ary noraisiny ho zava-maharavoravo (Sal. 1:2; Sal. 119:70, 77, 174). Hitarika ho amin'ny fahatakarantsika lalindalina kokoa ny maha-mpanota antsika (Rôm. 7:7) sy ny filantsika ny fahamarinan'i Kristy (Gal. 3:24) ny fiheverana sy ny fampiasana ny lalana araka ny tokony ho izy.

Na dia miezaka ny hitandrina ny lalàna, noho ny fahasoavan'Andriamanitra aza ianao, ahoana no anehoan'ny fanandramanao manokana fa mila ny fahamarinan'i Kristy mba handrakotra anao ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal