Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 27 September 2025

NY TSIAMBARATELON'NY FAHOMBIAZANA

Hodinihina mandritra ny herinandro: Deo. 18:15-22, Jos. 1; Heb. 6:17,18: Efes. 6:10-18; Sal. 1:1-3; Rom. 3:31.

Tsianjery: "Koa mahereza sy matanjaha tsara hianao, hitandremanao, hanao araka ny lalàna rehetra, izay nandidian'i Mosesy mpanompoko anao; aza miala aminy, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, mba hambinina hianao amin'izay rehetra alehanao." Jos. 1:7

Nampianatra ny fomba fanehoana fihetsehampo sy hevitra amin'ny alalan'ny mozika Ingahy Benjamin Zander, lehiben'ny mpitendry zava-maneno tao amin'ny Boston Pilharmonic Orchestra. Tamin'ny fotoana iray nampianarany, dia tsikariny ny tebitebin'ireo mpianatra teo am-piatrehana ny fanombanana ny fahaizan'izy ireo amin'ny lafiny mozika. Mba hampahazo aina ireo mpianatra sy hanomezana azy ireo fotoana hanehoany ny fahaizany rehetra, dia nambaran'Ingahy Zander fa homeny ny naoty ambony indrindra ny mpianatra rehetra amin'ny andro voalohany anatrehan'izy ireo io fampianarana io. Tsy tanjona natao hotratrarina io naoty ambony indrindra io fa natao handrisika ny fitomboana sy ny fivelaran'izy ireo. Ny hany notakiny tamin'ireo mpianatra dia ny hanoratan'izy ireo taratasy mandritra ireo herinandro roa voalohany ao anatin'ny enim-bolana, saingy ny datin'andro farany hanatrehan'izy ireo ilay taranja no nasainy napetraka eo amin'ilay taratasy. Taratasy manazava ny antony mahatonga azy ireo ho mendrika ny hahazo ilay naoty ambony izany.

Miresaka momba ny fahafahan'ny zanak'Isiraely miaina fiainam-baovao ny bokin'i Josoa. Efa tsy eo intsony i Mosesy, izay nanamarika 40 taona teo amin'ny tantaran'ny Isiraely. Efa tapitra ny fanafahana tany Egypta sy ny fivezivezena tany an'efitra, izay mampalahelo fa fikomiana sy hamafisan-katoka no nanamarika izany. Taranaka vaovao, izay vonona ny hankatò an'i Jehovah, no efa hiditra ao amin'ilay Tany Nampanantenaina izao; tsy tanjona natao hotratrarin'izy ireo izany fa zava-misy azony niainana sy nandrisika azy hitombo.

Andeha hohalalinintsika ny fomba nanokafan'Andriamanitra toko vaovao teo amin'ny fiainan'ny Isiraely sy ny fahafahany manao toy izany koa eo amin'ny fiainantsika.

*Famerenana ny lesona ny sabata 04 Oktobra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal