Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Fianarana fanampiny.

Daty
Zoma 03 October 2025

FIANARANA FANAMPINY

Vakio "Ny nitana an'i Jordana" ao amin'ny PM, tt. 480, 481 sy "Ny fidirana tao amin'ilay tany nampanantenaina" ao amin'ny TF, t. 171.

"Izao no lazain'i Jesôsy amiko ao amin'ny teny fikasany sy ny fampitandremana nataony. Fa toy izao no nitiavan' Andriamanitra an'izao tontolo izao, nomeny ny Zananilahy tokana, mba tsy ho very aho amin'ny finoako Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. Tokony ho fanandramana ataoko ny fanandramana voalaza ao amin'ny tenin’Andriamanitra. Ny fivavahana sy ny teny fikasana, ny fitsipika sy ny fampitandremana, dia ahy. (...) Rehefa raisin'ny finoana toy izany ny foto-kevitry ny fahamarinana ka voatsakotsakony dia manjary isan'ny tena izany, sy hery manosika ao amin'ny fiainana. Ny tenin'Andriamanitra raisina ao amin'ny fanahy, dia mamolavola ny fisainana ka miditra ao amin'ny fampitomboana ny toetra amam-panahy." IFM, t. 412.

"Tsy misy zavatra hafa tokony hifantohana bebe kokoa, sy ombieny ombieny, ary atao mafy orina ao an-tsaina ankoatra ny hoe: tsy mety ho vitan'ny olombelona lavo na oviana na oviana ny ho mendrika amin'ny alalan'ny asa tsara ataon'ny tenany. Avy amin'ny finoana an'i Jesôsy Kristy irery ihany ny famonjena." - FA, t. 13.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Na dia samy hafa amin'ny antsika aza ny toe-javatra nisy teo amin'ny fiainan'i Josoa sy ny fanandramany, inona kosa ny fitsipika ara-panahy azontsika sintonina avy amin'ny fiainany sy ampiharina eo amin'ny fiainantsika? Na izany aza, nahoana isika no tokony hihazona an-tsaina mandrakariva ny tontolon-kevitra rehefa mampitaha zavatra roa?

2. Ifanakalozy hevitra ny fifandraisan'ny teny fikasan'Andriamanitra sy ny fankatoavantsika Azy. Ahoana no mahatonga izany mifameno? Inona no loza mety hananontanona antsika amin'ny fanindrahindrana ny iray ka hanadinoana ny ankilany? Izany hoe, inona no loza miseho rehefa asongadina loatra ny lalàna ka takona ny fahasoavana? Na koa asongadina loatra ny fahasoavana ka takona ny lalàna?

3. Araka ny lesona tamin'ity herinandro ity, ahoana no hamaritanao ny fahombiazana araka ny fomba fijerin'ny Baiboly? Aiza ho aiza ny toeran'ny fanambinana ao amin'ny famaritan'ny Kristianina ny atao hoe fahombiazana?

4. Alao sary an-tsaina izay mety ho fihetsehampon'i Josoa taorian'ny nahafatesan'i Mosesy, inona ny teny fikasana nomen'Andriamanitra azy izay azo antoka fa nanohana azy tokoa teo anatrehan'ny andraikitra goavana nosahaniny? (Vakio ny Jos. 1:5).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal