MANOMPOA!
Vakio ny Jos. 1. Inona ny lesona azontsika sintonina avy amin'ny firafitry ny bokin'i Josoa manomboka eo amin'ny toko voalahany indrindra?
Ny toko voalohany ao amin'ny bokin'i Josoa no fampidirana ho an’ilay boky iray manontolo. Ahitana lahateny efatra izany, izay mifandraika amin’ireo fizarana lehibe efatra ao amin'io boky io ny fitana ny ony (Jos 1. 2-9), ny fakana ny tany (Jos 1: 10.11): ny fizarana ny tany (Jos. 1:12-15) ary ny fanompoana amin'ny fankatoavana ny lalàna (Jos 1.16-18).
Azo heverina ho drafitr’Andriamanitra mitohitohy ny bokin'i Josoa. Ao amin'ny dingana tsira iray amin'izany, dia manankina andraikitra manokana amin'i Josoa Andriamanitra, asa izay misy ifandraisany amin'ny fakana ny tany Kanana izany, ary ny tsirairay aminireny dia resahin'ny boky isaky ny tanteraka soamantsara.
Ho tanteraka, amin'ny farany, ireo teny fikasan’Andriamanitra mahakasika ny fonenana ao amin'ny tany Kanana. Manomboka eo indray, dia manjary eo am-pelatanan'ny Isiraelita ny andraikitra amin'ny fihazonana ny tany, nefa tsy tanteraka izany raha tsy amin'ny finoana tena izy ihany sy ny fankatoavana izay ateraky ny finoana toy izany.
Ny drafitr’Andriamanitra, dia aseho amin'ny alalan'ny matoanteny telo - "miampita" "maka", ary "mizara", ary ny fankatoavan'ny vahoaka no valiny mety indrindra asetry izany, fankatoavana avy amin'ilay drafitra farany izany: ny fanompoana.
Averina indray fa ahitana fizarana lehibe 4 ao amin'ny bokin'i Josoa, ka ny fizarana tsirairay dia ahitana hevitra manokana aseho amin'ny alalan'ny fisongadinan'ny teny hebreo anankiray:
(1) Miampita (Jos. 1:1-5:12)
(2) Maka (Jos. 5:13-12:24)
(3) Mizara (Jos. 13:1-21:45)
(4) Fanompoana (Jos. 22:1-24:33)
Araka izany, ny firafitr'ilay boky dia efa ahitana taratra ny hafatra manan-danja voarakitra ao: tsy tanteraka amin'izao fotsiny ny drafitra napetrak'Andriamanitra fa mitaky valinteny feno fahatokiana avy amin'ny vahoakany. Izany hoe, na dia eo aza ny zavatra rehetra efa nataon'Andriamanitra ho antsika ao anatin'izany izay nataony ho antsika noho isika tsy mahay manao izany samirery dia asaina manao izay azontsika atao isika, asaina mankatò ny baikon'Andriamanitra. Tahaka izany mandrakariva no niseho teo amin'ny tantara masina rehetra, ary mbola mitoetra izany ankehitriny. Maneho izany hevitra izany koa, ohatra, ny filazalazana momba ny vahoakan'Andriamanitra amin'ny andro farany ao amin'ny Apôk. 14:12: finoana ny zavatra efa nataon'Andriamanitra ho antsika, izay mitarika ho amin'ny fankatoavana.
Saintsaino ny sasany amin'ireo teny fikasana ao amin'ny Tenin'Andriamanitra izay sarobidy indrindra aminao. Inona ny valiny takin'ireny aminao mba hahatonga azy ho tantera ka?