Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Matanjaha.

Daty
Alarobia 01 October 2025

MATANJAHA

Vakio ny Jos. 1:7-9. Nahoana no nilain’Andriamanitra ny nanantitrantitra tamin'i Josoa (indroa) fa tokony hahery sy hatanjaka izy?

Toa fihaikana goavana tokoa ny fahitana ny asa napetraka teo anoloan' i Josoa. Toa tsy azo anihina ny fahitana ireo mandan'ny tananan'ny Kananita ary voaofana hiady ny mponina tao. Ny Isiraelita kosa etsy ankilany, dia olona mpifindrafindra monina, ary tsy nanana na dia izay fitaovam-pladiana tsotra indrindra aza mba hamelezana ilay manda avo sy mafy. Ampianarin'ny tantara antsika fa na i Egypta aza, izay firenena natanjaka indrindra tamin'izany andro izany, dia tsy nahavita nifehy an'i Kanana.

Ny antso ho amin'ny faherezana sy ny fahatanjahana eto dia tsy mifandraika fotsiny amin'ny fanaovana tetikady sy ny fanomanana ny toe-tsain'ny mpiady, fa nilaina koa ny herim-po sy ny fahatanjahana mba hitoerana ho mahatoky amin'ny Torah sy ny fitakiany an-tsipiriany, izay namaritra ny fanekena nataon'ny Isiraely tamin'i Yahweh.

Vakio ny Efes. 6:10-18. Na dia tsy takina aza ny handehanantsika hiantafika amin'izao andro izao, ahoana no ahazoantsika mampihatra ireo teny fampaherezana nomena an'i Josoa eo amin'ny tolona ara-panahy atrehintsika isan'andro?

Amin'izao andro izao, dia miatrika fihaikana maro tahaka izay natrehin'i Josoa koa ny Kristianina eo amin'ny fanatanterahan'izy ireo ny iraka nampanaovin'i Kristy azy. Izany hoe, tsy maintsy miady amin'ireo fironana feno fahotana ao anatiny izy ireo, tsy maintsy miady amin'ireo fanapahana sy amin'ny fanjakana sy amin'ny mpanjakan'izao fahamaizinana izao, ary amin'ny tafiky ny ratsy. Toa an'i Josoa, izy ireo koa dia manana ny teny fikasana azo antoky ny fanatrehan'i Kristy: "indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao." - Mat. 28:20. Ampy mba handroaka ny tahotra tao anatin'i Josoa ny fanatrehan'ny Tompo izay nanohana azy; tahaka izany koa, tokony ho ampy antsika izany mba hanafoana ny fisalasalana sy ny tebitebintsika anio.

Izao no fihaikana ho antsika: ny hahalala an'i Jehôvah bebe kokoa ka hitoky Aminy sy hatoky ny fampanantenany ho antsika. Izany indrindra no ilantsika, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny hanana fifandraisana manokana Aminy.

Tsy samy hafa amin'izay natrehin'i Josoa ny fanontaniana manan-danja ho antsika amin'izao andro izao. Ahoana no hitoerantsika ho mahatoky amin'izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra na dia tsy mamim-bahoaka aza izany na koa tsy fanao araka ny fomban'ny olona?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal