Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 1: NY TSIAMBARATELON’NY FAHOMBIAZANA - Mpandova ny teny fikasana.

Daty
Talata 30 September 2025

MPANDOVA NY TENY FIKASANA

Ambaran'i Jehôvah amin'i Josoa ao amin'ny Jos. 1:2,3 fa omeny azy ireo ny tany. Etsy ankilany anefa, dia nolazainy fa efa nomeny azy ireo izany. Inona no hevitr’izany?

Fanomezana avy amin'i Jehôvah ny tany; Izy no tena Tompon’izany. Ao amin'ny Jos. 1:2,3, dia filazam-potoana roa samy hafan'ny matoanteny "manome" no ampiasaina, izay maneho taratra lafin-javatra roa manan-danja amin'ny fandovana ny tany. Miresaka momba ny fanomezan’Andriamanitra ny tany ny hevitra iray. Ireo faritra tany atsinanan'ny onin'i Jordana ihany no nonenan'ny Isiraely fa tsy mbola azony kosa ny ankamaroan'ireo faritra tao amin'ny Tany nampanantenaina.

Maneho zavatra efa tanteraka ny endriky ny matoanteny ao amin'ny Jos. 1:3. izay toa milaza fa efa nomena azy ireo ny tany. Rehefa Andriamanitra no lazainan'ny fehezanteny tahaka izany, dia antsoina hoe efa "tanteraka ara-paminaniana" izany asa izany. Ary izany dia satria izay ampanantenain'Andriamanitra ao amin'ny Teniny dia toe-javatra azo antoka fa zava-misy ho tanteraka tokoa.

Mpisolo tena milaza hamaroana no hita ao amin'ny and. 3, "faladianareo" sy "anareo", koa tsy ho an'i Josoa irery ihany ny teny fikasana nomena teto fa ho an'ny vahoaka Isiraely iray manontolo. Ny filazana ny teny fikasana nomena an'i Mosesy dia maneho ny fitohizan'ny asan'Andriamanitra.

Miverimberina imbetsaka ao amin'ny toko voalohany koa ny teny hoe kol, "rehetra." Ny fisongadinan'io teny io dia maneho ny fitambaran-javatra izay nanan-danja tokoa mba hahatrarana ny tanjona napetraka teo anoloan'i Josoa. Tsy maintsy misy firindrana tsara eo amin'Andriamanitra sy i Josoa ary ny vahoaka Isiraely mba hahitana fahombiazana eo amin'ny fakana ny Tany Nampanantenaina.

Vakio ny Jos. 1:4-6 sy ny Heb. 6:17,18. Tamin'izany fotoana izany dia mbola teny fikasana ihany ny Tany nampanantenaina, nefa nantsoin'Andriamanitra hoe lova izany. Midika inona ny hoe mpandova ny teny fikasan’Andriamanitra?

Tsy misy majika akory ao amin'ny teny fikasan'Andriamanitra; tsy manan-kery manokana hahatanteraka ny tenany izy ireny. Ny fanatrehan'Andriamanitra, izay milaza izao teny izao, no antoka ho amin'ny fahatanterahan'ireny: "homba anao Aho." Manan-danja tokoa ny ny fanatrehan'i Jehôvah mba hitohizan'ny fahaveloman'ny zanak'lsiraely. Raha tsy eo izany, dia ho tahaka ny firenena rehetra ihany izy ireo, tsy ho nanana ny fiantsoana manokana sy ny maha-izy azy na koa ny iraka manokana nankinina taminy (Eks. 33:12-16). Ny fanatrehan'Andriamanitra no hany nilain'i Josoa mba hahitana fahombiazana.

Tsy mbola miova izany ankehitriny; izany no mahatonga antsika manana ny teny fikasan'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 28:20.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.
Sun 30 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Mon 31 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Tue 01 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Wed 02 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Thu 03 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Fri 04 Sep 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA -
Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fisaorana.
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fahanasinana sy fahadiovam-po.
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Famelan-keloka sy fanamafisana ny fitiavana.
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fandresena ao amin’i Kristy.
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 29 Aug 2026
Lesona 10 : NY TENA FANOMPOANA KRISTIANINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal