Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.

Daty
Alarobia 03 June 2026

Rehefa tsapantsika ny vesatry ny otantsika ka avelantsika ny Fanahy Masina hitondra antsika eo an-tongotry ny hazo fijaliana, dia tokony hangataka ny famelan-kelok'Andriamanitra isika, noho ny fahafantarana fa "Mamindra fo sy miantra Jehôvah, mahari-po sady be famindrampo" - Sal. 103:8. Andriamanitra mihitsy no nilaza izany (Eks. 34:6) taorian'ny nanotan'ilay firenena nofidiny, izay nampalahelo Azy.

Vakio ny Eks. 34:1-10. Inona ny fahamarinan-dehibe hita eto?

Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy satria mamindra fo sy miantra Jehôvah , mahari-po sady be famindrampo - mba hiverina ho tsara indray ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. 

Rehefa vonona hiaiky sy hitsotra ny fahotantsika isika, rehefa hoy isika: "Tompo o, inty indray aho... Andriamanitra o, mamindra fo amiko mpanota'"- Lio. 18:13, dia hitan'i Jesôsy — Izay efa niasa tao anatintsika sy ho antsika niaraka tamin'ny Fanahy Masina na dia tsy mbola niantso Azy aza isika — ny vesatra eo amintsika ka esoriny. Afaka ny enta-mavesatsika eo Kalvary, ary azo antoka fa tsy mba lavitra i Jesôsy rehefa manatona Azy isika, ary na mialoha ny anaovantsika izany aza, dia milady antsika toy ny Mpiandry Tsara Izy ary mandondona eo am-baravarana (Apôk. 3:20). Aoka isika tsy hiala lavitra ny Hazo Fijaliana ka hitazan-davitra an'Andriamanitra. Aoka isika hihazakazaka hanatona an'i Jesôsy ka ny fahamarinany no hasolo ny fahotantsika sy ny enta-mavesatsika (Zak. 3:4).

Vakio miadana ireto andininy manaraka ireto. Soraty amin'ny filazanao azy manokana ny ambaran'ireo momba ny fahasoavan'Andriamanitra aminao:

"Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm . 6:23.

"Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - Rôm. 5:20,21.

"Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" - Rôm. 5:8. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal