Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.

Daty
Alarobia 03 June 2026

Rehefa tsapantsika ny vesatry ny otantsika ka avelantsika ny Fanahy Masina hitondra antsika eo an-tongotry ny hazo fijaliana, dia tokony hangataka ny famelan-kelok'Andriamanitra isika, noho ny fahafantarana fa "Mamindra fo sy miantra Jehôvah, mahari-po sady be famindrampo" - Sal. 103:8. Andriamanitra mihitsy no nilaza izany (Eks. 34:6) taorian'ny nanotan'ilay firenena nofidiny, izay nampalahelo Azy.

Vakio ny Eks. 34:1-10. Inona ny fahamarinan-dehibe hita eto?

Maty teo amin'ny hazo fijaliana i Jesôsy satria mamindra fo sy miantra Jehôvah , mahari-po sady be famindrampo - mba hiverina ho tsara indray ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra. 

Rehefa vonona hiaiky sy hitsotra ny fahotantsika isika, rehefa hoy isika: "Tompo o, inty indray aho... Andriamanitra o, mamindra fo amiko mpanota'"- Lio. 18:13, dia hitan'i Jesôsy — Izay efa niasa tao anatintsika sy ho antsika niaraka tamin'ny Fanahy Masina na dia tsy mbola niantso Azy aza isika — ny vesatra eo amintsika ka esoriny. Afaka ny enta-mavesatsika eo Kalvary, ary azo antoka fa tsy mba lavitra i Jesôsy rehefa manatona Azy isika, ary na mialoha ny anaovantsika izany aza, dia milady antsika toy ny Mpiandry Tsara Izy ary mandondona eo am-baravarana (Apôk. 3:20). Aoka isika tsy hiala lavitra ny Hazo Fijaliana ka hitazan-davitra an'Andriamanitra. Aoka isika hihazakazaka hanatona an'i Jesôsy ka ny fahamarinany no hasolo ny fahotantsika sy ny enta-mavesatsika (Zak. 3:4).

Vakio miadana ireto andininy manaraka ireto. Soraty amin'ny filazanao azy manokana ny ambaran'ireo momba ny fahasoavan'Andriamanitra aminao:

"Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm . 6:23.

"Nefa teo amin'izay nihabiazan'ny ota no nihoaran'ny fahasoavana be lavitra, mba ho tahaka ny nanjakan'ny ota tao amin'ny fahafatesana no hanjakan'ny fahasoavana kosa amin'ny fahamarinana ho fiainana mandrakizay amin'ny alalan'i Jesôsy Kristy Tompontsika." - Rôm. 5:20,21.

"Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy" - Rôm. 5:8. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal