Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika

Daty
Alakamisy 04 December 2025

JOSOA SY ISIKA

Amin'ny maha tandindona azy, ny fiainan'i Josoa dia manondro mihoatra lavitra noho ny asa fanompoan'i Jesosy Kristy ka manondro ny fahatanterahan'ny tandindona eo amin'ny flainan'ny fangonana, izay tenan'i Kristy. Amin'ny lafiny Inona ireo ady nataon'ny Isiraely teo ambany fitarihan'i Josoa no tandindon'ireo tolona ara-panahin'ny fiangonana? Inona no maha samihafa ireo ady ireo amin'ny antsika? Jereo ny 1 Tim. 1:18; 2 Tim. 4:7; Efes. 6:10-12; 2 Kor. 10:3-5 ary ny Asa. 20:32.

Ireo mpanoratra ny Testamenta Vaovao dia manaiky ny fahatanterahan'ny tandindon'i Josoa eo amin'ny fiangonana. Mandray anjara amin'ny ady ara-panahy amin'ny herin'ny ratsy ireo rantsam-batan'i Kristy, dia ny fiangonana; na izany aza, misitraka ny fitsaharana avy amin'ny fahasoavan'Andriamanitra (Heb. 4:9-11) sy ny fitahiana avy amin'ny lovany ara-panahy izy ireo.

Inona no lazain'ireto andininy ireto momba ny fahatanterahana faratampon'ny tandindon'i Josoa? 1 Pet. 1:4; Kôl. 3:24; Apôk. 20:9; Apôk. 21:3.

Ho tonga amin'ny faratampon'ny fahatanterahany ny tandindon'i Josoa amin' ny fiavian'i Jesosy Kristy fanindroany (lafiny Apokaliptika/fiafaran'izao tontolo izao).

Nitaratra betsaka ny toetran'Andriamanitra ny fiainan'i Josoa hany ka nanana endrika faminaniana ny lafiny sasany tamin'ny fiainany, izay naneho mialoha ny asa sy ny Personan'ny Mesia.

Ho antsika ankehitriny, efa tonga ny Mesia. Tsy mila tandindona hanehoana mialoha ny asa fanompoany intsony isika, kanefa mbola manana tombontsoa kosa isika haneho ny toetrany ny voninahitra izay nirin'i Kristy hozaraina tamin'ireo mpianany (Jao. 17:22), ary azontsika ananana izany amin'ny fibanjinantsika ny toetran'i Kristy (2 Kor. 3:18). Arakaraka ny hibanjinantsika an'i Jesosy no hanehoantsika bebe kokoa ny hatsaran'ny toetrany. hatsaran'ny toetrany. Zava-dehibe fototra izany, maneho ny vokatry ny fiarahantsika isan'andro amin'i Kristy. Izany no maha zava-dehibe ny fotoana - isan'andro ao amin'ny Tenin'Andriamanitra. Izany koa no antony tokony hanokanantsika fotoana handinihana ny fiainana sy ny toetra ary ny fampianaran'i Jesosy. Eny, ny fibanjinantsika no manova antsika.

I Josoa, Ilay tandindona, dia nanontany ny Isiraelita hoe: "Mandra-pahoviana no hiahoftahoranareo tsy hiditra handova ny tany, izay omen'i Jehôvah , Andriamanītry ny razanareo, anareo?" - Jos. 18:3. Raha I Jesôsy , Ilay tena Josoa, no mametraka izany fanontaniana izany ankehitriny, ahoana no hilazany azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (10)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal