Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - Azo antoka tokoa fa ho avy indray Aho.

Daty
Alatsinainy 02 December 2024

Vakio ny Jao. 14:1-3. Inona ny tontolon-kevitra nilazan'i Jesôsy ireo teny ireo?

Milaza i Jesôsy any amin'ny faramparan'ny Jao. 13 fa tsy maintsy handeha (Jao. 13:3). Nampametra-panontaniana an'i Petera izany ka hoy izy: "Tompoko, hankaiza moa Hianao?"-Jao. 13:36. Tsy takatry ny mpianatra fa ny fahafatesany, ny fitsanganany amin'ny maty, ary ny fiakarany ho any an-danitra no noresahin'i Jesôsy. Nilaza i Petera fa vonona ny hahafoy ny ainy ho Azy izy (Jao. 13:37), ary teo no nanambaran'i Jesôsy mialoha ny handavan'i Petera Azy (Jao. 13:38).

Tao anatin izany tontolon-kevitra izany no nampaherezan'i Jesôsy ny mpianatra mba tsy halahelo (Jao. 14:1). Nadika avy amin'ny teny grika hoe tarasső ny hoe "malahelo" eto, izay midika koa hoe mangitakitaka, mivarahontsana, mitebiteby, very hevitra. Tsy mahagaga raha nanahiran-tsaina ny mpianatra ny tenin'i Jesôsy.

 Kanefa mba hampitony ny tahotr'izy ireo dia niresaka ny amin'ny tranon'ny Rainy i Jesôsy, izay misy fitoerana maro (tsy trano mitsitokantokana fa toy ny efitrano ao amin'ny trano iray lehibe fandraisam-bahiny). Handeha hanomana ny toerana handraisana azy ireo i Jesôsy. Ny any ankoatra ilay ady sarotry ny hazo fijaliana no noresahin'i Jesôsy, dia rehefa hiverina hanavotra ny olony Izy. Miandrandra ilay fotoana hahafoana tanteraka ny fahoriana vokatry ny fahotana Izy (jereo ny Dan. 7:27).

Hoy i Jesôsy: "Raha handeha (...) Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." - Jao. 14:3. Mazava tsara fa teny fikasana ny amin'ny fiaviany fanindroany izany.

Ahoana no maha-azo antoka izany teny fikasana izany? Hamaly ny maro hoe: tsy maintsy tanteraka ny faminanian'ny Baiboly, ary marina tokoa izany. Kanefa ao amin'ny Jao. 14:3 dia misy antony hafa. Ao amin'ity andininy ity, ny hoe "ho avy Aho" dia amin'ny filazam-potoana ankehitriny amin'ny teny grika ("tonga Aho"). Filazam-potoana fampiasa amin'ny teny grika izy io, izay entina ilazana ny hoavy amin'ny fomba azo antoka, toy ny efa mitranga sahady. Araka izany dia marina ny fandikana io fehezan-teny io hoe: "Azo antoka tokoa fa ho avy indray Aho".

Tsy fahatanterahan'ny faminanian'ny Baiboly fotsiny ny fiverenan'ny Tompontsika, izay fototry ny fanantenantsika. Miorina kokoa amin'ny fitokiantsika amin'llay Lehilahy nanao ny teny fikasana izany. Nilaza Izy fa azo antoka tokoa ny fiverenany haka ny olony. Mahazo matoky izany teny fikasana izany isika noho ny amin'llay nilaza izany.

Inona no ampianarin'ny hazo fijaliana antsika momba ny maha-azo antoka ny fiavian'i Kristy fanindroany? Raha tsy misy ny fiverenan'i Jesôsy fanindroany, inona no nilantsika ny fahafatesan'i Jesôsy tamin'ny fiaviany voalohany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal