Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - Azo antoka tokoa fa ho avy indray Aho.

Daty
Alatsinainy 02 December 2024

Vakio ny Jao. 14:1-3. Inona ny tontolon-kevitra nilazan'i Jesôsy ireo teny ireo?

Milaza i Jesôsy any amin'ny faramparan'ny Jao. 13 fa tsy maintsy handeha (Jao. 13:3). Nampametra-panontaniana an'i Petera izany ka hoy izy: "Tompoko, hankaiza moa Hianao?"-Jao. 13:36. Tsy takatry ny mpianatra fa ny fahafatesany, ny fitsanganany amin'ny maty, ary ny fiakarany ho any an-danitra no noresahin'i Jesôsy. Nilaza i Petera fa vonona ny hahafoy ny ainy ho Azy izy (Jao. 13:37), ary teo no nanambaran'i Jesôsy mialoha ny handavan'i Petera Azy (Jao. 13:38).

Tao anatin izany tontolon-kevitra izany no nampaherezan'i Jesôsy ny mpianatra mba tsy halahelo (Jao. 14:1). Nadika avy amin'ny teny grika hoe tarasső ny hoe "malahelo" eto, izay midika koa hoe mangitakitaka, mivarahontsana, mitebiteby, very hevitra. Tsy mahagaga raha nanahiran-tsaina ny mpianatra ny tenin'i Jesôsy.

 Kanefa mba hampitony ny tahotr'izy ireo dia niresaka ny amin'ny tranon'ny Rainy i Jesôsy, izay misy fitoerana maro (tsy trano mitsitokantokana fa toy ny efitrano ao amin'ny trano iray lehibe fandraisam-bahiny). Handeha hanomana ny toerana handraisana azy ireo i Jesôsy. Ny any ankoatra ilay ady sarotry ny hazo fijaliana no noresahin'i Jesôsy, dia rehefa hiverina hanavotra ny olony Izy. Miandrandra ilay fotoana hahafoana tanteraka ny fahoriana vokatry ny fahotana Izy (jereo ny Dan. 7:27).

Hoy i Jesôsy: "Raha handeha (...) Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa." - Jao. 14:3. Mazava tsara fa teny fikasana ny amin'ny fiaviany fanindroany izany.

Ahoana no maha-azo antoka izany teny fikasana izany? Hamaly ny maro hoe: tsy maintsy tanteraka ny faminanian'ny Baiboly, ary marina tokoa izany. Kanefa ao amin'ny Jao. 14:3 dia misy antony hafa. Ao amin'ity andininy ity, ny hoe "ho avy Aho" dia amin'ny filazam-potoana ankehitriny amin'ny teny grika ("tonga Aho"). Filazam-potoana fampiasa amin'ny teny grika izy io, izay entina ilazana ny hoavy amin'ny fomba azo antoka, toy ny efa mitranga sahady. Araka izany dia marina ny fandikana io fehezan-teny io hoe: "Azo antoka tokoa fa ho avy indray Aho".

Tsy fahatanterahan'ny faminanian'ny Baiboly fotsiny ny fiverenan'ny Tompontsika, izay fototry ny fanantenantsika. Miorina kokoa amin'ny fitokiantsika amin'llay Lehilahy nanao ny teny fikasana izany. Nilaza Izy fa azo antoka tokoa ny fiverenany haka ny olony. Mahazo matoky izany teny fikasana izany isika noho ny amin'llay nilaza izany.

Inona no ampianarin'ny hazo fijaliana antsika momba ny maha-azo antoka ny fiavian'i Kristy fanindroany? Raha tsy misy ny fiverenan'i Jesôsy fanindroany, inona no nilantsika ny fahafatesan'i Jesôsy tamin'ny fiaviany voalohany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal