Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: LALANA SY FAHAMARINANA ARY FIAINANA - "Izaho no (...) fahamarinana"

Daty
Alarobia 04 December 2024

Vakio ny Jao. 1:14,17; Jao. 8:32; Jao. 14:6 sy ny Jao. 15:26. Ahoana no ampifandraisan'i Jaona mivantana ny fahamarinana amin'i Jesôsy ?

Manerana ny filazantsaran'i Jaona dia mifandray amin'i Jesôsy, amin'ny Rainy, ary amin'ny Fanahy Masina ny fahamarinana. Mifandray amin'i Jesôsy, llay Teny (logos), ny fahamarinana, ary koa amin'ny fahazavana izay mifanohitra amin'ny maizina (Jao. 1:1-14, Jao. 3:19-21). Ary ny lainga kosa dia mifandray amin'ny devoly sy ny fahotana (Jao. 8:44-46). Koa ao amin'ny filazantsaran'i Jaona, ny fahamarinana dia tsy resaka tranga ara-tantara na tarehimarika fotsiny. Ekena fa tafiditra ao anatiny izany. saingy ny famaritana ny fahamarinana dia misy lafiny ara-pitondran-tena, fahatokiana amin Andriamanitra sy ny sitrapony.

"Betsaka no mitomany mitady an'Andriamanitra velona, ary maniry indrindra ny fanatrehany. Ireo vinavinan-kevitra araka ny filozófia na ireo famoaboasana ao amin'ny haisoratra, na mamirapiratra toy inona aza dia tsy mampitony ny fo. Tsy misy vidiny ny fanantitranterana sy ny zavatra noforonin'ny olona. Aoka ny Tenin'Andriamanitra no hiteny amin'ny vahoaka. Aoka ireo izay tsy nandre afa-tsy lovan-tsofina sy vinavinan-kevitr'olombelona ary teny zary ohabolana, handre ny feon'llay afaka manavao ny fanahy ho amin'ny fiainana mandrakizay amin'ny teniny." - HF, t. 24.

Saino ny hoe: midika inona ho an'i Jesôsy  ny maha-Fahamarinana Azy? I Jesôsy no logos, Ilay Teny tao amin'Andriamanitra hatrany am-boalohany, Izay Mpahary izao zavatra àry rehetra izao (Jao. 1:1-4). Iray amin'Andriamanitra i Jesôsy, hatramin'ny taloha indrindra ka ho mandrakizay, koa manana ny toetra mampiavaka ny Ray Izy, ary araka izany dia Izy koa no "IZAHO IZAY IZY". Tsy miankina na amin'iza na amin'iza ny fisiany. Tsy mety hisy na inona na inona, anisan'izany ny fahalalana, raha tsy eo Izy. Izay rehetra misy, izay rehetra nohariana, dia i Jesôsy no nahary azy, ary ao Aminy koa no ahaveloman'izy rehetra. "Fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etý ambonin'ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany; ary Izy no talohan'ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan'ny zavatra rehetra." - Kôl 1:16,17

Tsy maneho ny fahamarinana fotsiny i Jesôsy fa Izy mihitsy no fahamarinana. Tsy hevitra na tsangan-kevitra ny fahamarinana, fa Olona!

Toy ny masoandro manazava izao tontolo izao ny fahamarinana, dia i Jesôsy Kristy (Jao. 8:12). Miombon-kevitra amin'izany i C. S. Lewis raha nilaza toy izao momba ny fivavahana kristianina: "Mino ny fivavahana kristianina aho, tahaka ny inoako ny fiposahan'ny masoandro. Tsy hoe satria hitako izany, fa satria hitako koa ny zavatra hafa rehetra." "Is Theology Poetry?" (n. p.: Samizdat University Press, 2014), t. 15, naseho voalohany tamin'ny taona 1944. Amin'ny alalan'i Jesôsy , Ilay Fahamarinana, no ahafahantsika mahatakatra mazava araka ny tokony ho izy ny tontolo manodidina antsika

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal