Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.

Daty
Alarobia 03 September 2025

EO ANIVON'NY VAHOAKANY

Nanome lesona ny vahoakany tamin'ny alalan'ny fitaovana maro samy hafa Andriamanitra, ary anankiray tamin'ireny fitaovana ireny ny tabernakely. Nanondro an'i Jesôsy ny fanompoam-pivavahana rehetra tao; lesona azo tsapain-tanana tao anatin'ny drafi-pamonjena ireny, izay hotanterahina amin'ny alalan'i Jesôsy taonjato maro aty aoriana.

Vakio ny Eks. 25:1-9. Inona no fahamarinana manan-danja sy mahasoa ary ara-teolojia hita ao amin'ireo andalan-teny ireo?

Na dia nitarika ny Isiraelita sy efa nanakaiky azy ireo aza Andriamanitra, dia nanome toromarika an'i Mosesy Izy mba hanorina fitoerana masina: "Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho." - Eks. 25:8. Niriny ny haneho amin'izy ireo amin'ny fomba azo tsapain-tanana fa tena eo amin'izy ireo tokoa Izy. Na dia nanao ratsy imbetsaka aza izy ireo, dia tsy nahafoy azy Izy, ary "taorian'ny nahazoan'izy ireo indray ny fankasitrahan'ny Lanitra" - PP, t. 343, dia nomena baiko izy ireo ka nanomboka ny fanorenana ny fitoerana masina.

Ambaran'ny Baiboly amintsika fa tsy mitoetra ao amin'ny tempoly sy ny trano nataon'ny tanan'olombelona Andriamanitra (Asa. 7:47-50) satria lehibe lavitra noho ny lanitry ny lanitra Izy ary tsy antonona Azy ny lanitra. Hoy i Paoly raha tany Areopago, tany Atena: "Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana." -Asa. 17:24. Izao no nambaran'i Solomona mpanjaka: "Andriamanitra va dia honina ety an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!" - 1 Mpanj. 8:27. Ny fitoerana masina no toerana natao hisehoan'ny fanatrehan'Andriamanitra teo amin'izy ireo.

Nasaina nitondra fanatitra araka izay nampirisihin'ny fony ny Isiraelita, mba hanorenana ny tabernakely. Fanomezana lafo vidy sy sarobidy izany, toy ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny hazo akasia, ary lamba isan-karazany sy ny diloilo oliva ary ny zava-manitra samihafa.

Tsipirian-javatra maro no omena antsika mikasika ny tabernakely sy ny fanompoam-pivavahana tao, ao amin'ny Eks. 25:10-27:21. Nomen'Andriamanitra mari-drafitra ahitana toromarika manokana | Mosesy, toromarika mahakasika ny fomba hanorenana ny tabernakely sy ny fanaka hatao ao anisan'izany ny fiaran'ny fanekena, ny mofo aseho, ny fanaovan-jiro, ny alitara, ny efitra lamba, ny loko sy ny refy samihafa.

Nasaina nanorina ny fitoerana masina araka ny modely nasehon'Andriamanitra azy i Mosesy (Eks. 25:9, 40; Eks. 26:30); maneho taratra ny fitoerana masina any an-danitra izany (Heb. 8:1, 2; Heb. 9:11). Nanana anjara asa nanan-danja tokoa ny fitoerana masina tety an-tany mandra-pahatonga ny fotoana nahafatesan'i Jesôsy sy ny asa ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, izay tsy nampanan-kery intsony ny fitoerana masina teto an-tany. Fahamarinana iray naseho tamin'ny alalan'ny efitra lamban'ny fitoerana masina indrindra izay triatra izany, tamin'ny fotoana nahafatesan'i Kristy (Mat. 27:51; Mar. 15:38).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal