Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Eo anivon’ny vahoakany.

Daty
Alarobia 03 September 2025

EO ANIVON'NY VAHOAKANY

Nanome lesona ny vahoakany tamin'ny alalan'ny fitaovana maro samy hafa Andriamanitra, ary anankiray tamin'ireny fitaovana ireny ny tabernakely. Nanondro an'i Jesôsy ny fanompoam-pivavahana rehetra tao; lesona azo tsapain-tanana tao anatin'ny drafi-pamonjena ireny, izay hotanterahina amin'ny alalan'i Jesôsy taonjato maro aty aoriana.

Vakio ny Eks. 25:1-9. Inona no fahamarinana manan-danja sy mahasoa ary ara-teolojia hita ao amin'ireo andalan-teny ireo?

Na dia nitarika ny Isiraelita sy efa nanakaiky azy ireo aza Andriamanitra, dia nanome toromarika an'i Mosesy Izy mba hanorina fitoerana masina: "Ary asaovy manao fitoerana masina ho Ahy izy, dia honina eo aminy Aho." - Eks. 25:8. Niriny ny haneho amin'izy ireo amin'ny fomba azo tsapain-tanana fa tena eo amin'izy ireo tokoa Izy. Na dia nanao ratsy imbetsaka aza izy ireo, dia tsy nahafoy azy Izy, ary "taorian'ny nahazoan'izy ireo indray ny fankasitrahan'ny Lanitra" - PP, t. 343, dia nomena baiko izy ireo ka nanomboka ny fanorenana ny fitoerana masina.

Ambaran'ny Baiboly amintsika fa tsy mitoetra ao amin'ny tempoly sy ny trano nataon'ny tanan'olombelona Andriamanitra (Asa. 7:47-50) satria lehibe lavitra noho ny lanitry ny lanitra Izy ary tsy antonona Azy ny lanitra. Hoy i Paoly raha tany Areopago, tany Atena: "Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny eo aminy rehetra, Izy no Tompon'ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tànana." -Asa. 17:24. Izao no nambaran'i Solomona mpanjaka: "Andriamanitra va dia honina ety an-tany tokoa? He! ny lanitra, ary ny lanitry ny lanitra aza tsy omby Anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!" - 1 Mpanj. 8:27. Ny fitoerana masina no toerana natao hisehoan'ny fanatrehan'Andriamanitra teo amin'izy ireo.

Nasaina nitondra fanatitra araka izay nampirisihin'ny fony ny Isiraelita, mba hanorenana ny tabernakely. Fanomezana lafo vidy sy sarobidy izany, toy ny volamena, ny volafotsy, ny varahina, ny hazo akasia, ary lamba isan-karazany sy ny diloilo oliva ary ny zava-manitra samihafa.

Tsipirian-javatra maro no omena antsika mikasika ny tabernakely sy ny fanompoam-pivavahana tao, ao amin'ny Eks. 25:10-27:21. Nomen'Andriamanitra mari-drafitra ahitana toromarika manokana | Mosesy, toromarika mahakasika ny fomba hanorenana ny tabernakely sy ny fanaka hatao ao anisan'izany ny fiaran'ny fanekena, ny mofo aseho, ny fanaovan-jiro, ny alitara, ny efitra lamba, ny loko sy ny refy samihafa.

Nasaina nanorina ny fitoerana masina araka ny modely nasehon'Andriamanitra azy i Mosesy (Eks. 25:9, 40; Eks. 26:30); maneho taratra ny fitoerana masina any an-danitra izany (Heb. 8:1, 2; Heb. 9:11). Nanana anjara asa nanan-danja tokoa ny fitoerana masina tety an-tany mandra-pahatonga ny fotoana nahafatesan'i Jesôsy sy ny asa ataony ao amin'ny fitoerana masina any an-danitra, izay tsy nampanan-kery intsony ny fitoerana masina teto an-tany. Fahamarinana iray naseho tamin'ny alalan'ny efitra lamban'ny fitoerana masina indrindra izay triatra izany, tamin'ny fotoana nahafatesan'i Kristy (Mat. 27:51; Mar. 15:38).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal