Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Daty
Sabotsy 30 August 2025

Fampidirana

Hodinihina mandritra ny herinandro: Eks. 24:1-18; 1 Kor. 11:23-29; Lev. 10:1,2; Ezek. 36:26-28; Eks. 25:1-9; Eks. 31:1-18.

Tsianjery:

"Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehôvah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehôvah dia hataonay." - Eks. 24:3

Nirin'Andriamanitra ny hiaraka amin'ny olony sy hitoetra eo amin'izy ireo amin'ny maha-Andriamaniny sy Mpamorona ary ary Mpanavotra Azy. Noforoniny hanana firaisana ety Aminy isika. Mitaky fotoana sy ezaka anefa ny fifandraisana manan-danja amin'ny hafa, tahaka izany koa ny fifandraisana mijidina izay ifandraisantsika amin'Andriamanitra. Mety ho fanandramana mahasoa sy manandratra tokoa izany raha manokana fotoana iarahana Aminy isika. Raha lazaina amin'ny teny tsotra, dia izao no hevitr'izany: fandinihana ny Teniny (Andriamanitra miteny amintsika), vavaka (fanokafana ny fontsika Aminy) ary fijoroana ho vavolombelon'ny fahafatesan'i Kristy sy ny fitsanganany tamin'ny maty ary ny fiverenany (fanaovana ny asa nampanaovin'Andriamanitra). Ho tonga fantsom-pitahiana ho an'ny hafa isika rehefa mitahy antsika Andriamanitra.

Andriamanitra no tokony hifantohana fa tsy ny tenantsika (Heb. 12:1,2). Amin'ny fifandraisantsika Aminy no handraisantsika hery hoenti-manaraka ny Fampianarany, izay midika ho fankatoavana ny Teniny. Tsy mahagaga raha tahaka izao ny fanoritsoritana ny taranaka mpanara-dia an'i Kristy amin'ny andro farany: "mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesôsy ." - Apôk. 14:12.

Tsotra tokoa izany: tia an'Andriamanitra isika, ary noho izany fitiavana izany no ankatoavantsika Azy.

*Famerenana ny lesona ny sabata 06 Septambra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.
Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal