Hodinihina mandritra ny herinandro: 2 Kor. 3:1-9; 2 Kor. 4:7-18; 2 Kor. 5:11-15; Kol. 1:19-23; Efes. 2:13-16; 2 Kor. 6:11-7:1; 2 Kor. 7.
Tsianjery
"Voageja manodidina izahay, nefa tsy tery, very hevitra, nefa tsy mamoy fo, enjehina, nefa tsy nafoy, potraka, nefa tsy maty, mitondra ny fahafatesan'i Jesôsy mandrakariva ao amin'ny tena izahay, mba haseho ao amin'ny tenanay koa ny fiainan'i Jesôsy ." - 2 Kor. 4:8-10
Hitantsika tamin'ny herinandro fa niaro tena i Paoly, tao anatin'ny fahamasinana sy ny fahadiovam-po, manoloana ireo fiampangana azy ho miovaova hevitra sy tsy tia ireo Korintianina. Niasa mafy mandrakariva mantsy izy mba hahasoa indrindra ireo zanany ara-panahy. Misy famakafakan-kevitra iray natombony tao amin'ny 2 Kor. 2:12-17 izay zay mitohy ao amin'ny 2 Kor. 7. Raha nanao izany izy dia namakafaka momba ny endrika isehoan'ny tena fanompoana kristianina marina. Afaka misintona lesona maro avy amin'ireo hevitra aposak'i Paoly mahakasika izany isika.
Amin'ity herinandro ity, dia hojerentsika ny 2 Kor. 3-7, izay iresahan'i Paoly mikasika ny asa fanompoana ataony, dia ny famaboana fanahy ho an'i Kristy izany. Hoy i Ellen G. White: "Ny fiovam-pon'ny mpanota sy ny fanamasinana azy amin'ny alalan'ny fahamarinana no porofo miharihary fa voantso ho amin'ny asa fitoriana ny mpanompon'Andriamanitra iray. Voasoratra ao am-pon'ny olona niova fo ny antso natao taminy ho anisan'ny mpitory; hita taratra eo amin'ny toe-piainany izany, dia ny toe-piainana nanjary vaovao. Kristy no velona ao anatiny ho 'fanantenana ny voninahitra.' Rehefa miorina tsara eo amin'ny adidiny toy izany ny mpitory ny Filazantsara dia mahazo hery lehibe hanohana azy."- VM, t. 287.
*Famerenana ny lesona ny sabata 05 Septambra .