Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 28 February 2026

Hodinihina mandritra ny herinandro: Kol. 2; Heb. 7:11; Isa. 61:3; 1 Kor. 3:6; Deo. 31:24-26; Rôm. 2:28,29; Rôm. 7:7.

Tsianjery:

"Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny Sabata: aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy." - Kol. 2:16,17

Efa nisy olona nanontany anao ny antony itandremanao ny Sabata ve? Mety efa nampiasaina ho "porofo" manohitra ny fitandremana ny Sabata angamba ny tsianjery amin'ity herinandro ity. Kanefa tsy mikasika ny didy fahefatra ireo andalan-teny ireo fa setrin'ny fahadisoan-kevitra nampianarin'ny mpampianatra sandoka sasany tao amin'ny fiangonana. Inona izany hevi-diso izany?

Voalohany, izany fampianaran-diso izany dia antsoina hoe "filosofia", *fampianarana voatolotry ny razana", "araka ny abidim-pianaran'izao tontolo izao, fa tsy araka an'i Kristy." - Kōl. 2:8.

Voafaokan'izany fampianaran-diso izany koa ny farmorana sy ny fitandremana ireo andro firavoravoana jiosy (Kôl. 2:11,16), ary ireo fombafomba Jiosy mahakasika ny fahadiovana sy ireo fitsipika mifandraika amin'ny hanina (Kol. 2:16,21). Tao anatin'izany koa ny fiankohofana amin'ny anjely na miaraka amin'ny anjely na ny fitadiavana hanahaka ny fiankohofan'ny anjely (Köl. 2:18).

Ary farany, dia niorina tamin'ny "didy sy ny fampianaran'olona" izany ary azo inoana tokoa fa tafiditra tao ny fomba fanao feno fihafiana sy fampahoriana tena (Κόι. 2.22.23).

Tia fivavahana sy nanao izany vokatry ny fony tokoa ireo mpampianatra sandoka ireo, kanefa diso ny fandraisan'izy ireo ny filazantsara. Hojerentsika mandritra ity herinandro ity ny anton'izany, ary ho hitantsika koa ny antony mahatonga ny tsianjery tsy misy hifandraisany amin'ny fitandremana ny Sabata andro fahafito.

*Famerenana ny lesona ny sabata 07 Martsa.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal