Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Tsy fahaiza-mitondra.

Daty
Alahady 07 September 2025

TSY FAHAIZA-MITONDRA

Niantso an'i Mosesy hiaraka Aminy Andriamanitra. Mety ho fotoana fohy ho an'i Mosesy ny efapolo andro sy efapolo alina, saingy toa naharitra ela sy lava loatra izany ho an'ny Isiraelita. Tsy teo ilay mpitarika azy ireo hita maso. Sahiran-tsaina izy ireo, tsy nahandry, natahotra, ary tsy natoky tena. Te hanana andriamanitra hita maso izay hitarika azy izy ireo, dia ireo "andriamanitra" izay efa hitany nandritra ny androm-piainany tany Egypta mpanompo sampy.

Vakio ny Eks. 32:1-6. Ahoana no nahatonga ny fitarihan'i Arona ho tonga amin'ny tsy fahombiazana lehibe toy izany?

Tsy hain'i Arona ny niatrika ilay toe-javatra. Tsy hainy ny nanararaotra izany mba hanaovana ny marina. Raha tokony ho natoky ny Tompo izy, dia nilefitra kosa teo anatrehan'ny maro an'isa. Izay zavatra tsy azony veroka mihitsy nпо nangatahin'ny vahoaka: "Mitsangana, ka anaovy andriamanitra izahay, hitarika antsika eo aloha" - Eks. 32:1, ary dia nanaiky i Arona.

Nanome volamena an-tsitrapo ny olona hanamboarana ilay sampy, ary tsy vitan'ny hoe tsy nanakana azy ireo i Arona, fa nanasa azy ireo mihitsy hanolotra fanomezana. Avy eo dia nandray anjara tamin'ny fanefena io andriamani-tsy izy io izy. Manaraka izany dia hoy ny olona: "lo no andriamanitrao, ry Isiraely, izay nitondra anao niakatra avy tany amin'ny tany Egypta" Eks. 32:4. Akory ny halehiben'ny fahotany, ny ditrany, sy ny tsy fahendreny! Izy ireo izao no vao nanamboatra ilay sampy, kanefa avy eo nolazainy fa io sampy io no nanafaka azy? Mahavariana tokoa ny fanimban'ny faniriana feno fahotana ny fisainantsika sy ny asantsika! Ny zavatra noforonin'ny tanany no hindrahindrain'ny olona, ary manjary mirefarefa ny maha-olombelona sy ny fitondrantenany amin'izany.

"Olona matotra sy manana ny maha-izy azy ary tsy mety kivy fa mahery fo no ilain'ny fotoan-tsarotra toy izay nandalovan'ny Isiraely tamin'izany andro izany. Olona manao ny voninahitr'Andriamanitra ho ambony noho ny ainy mihitsy aza no tadiavina. Tsy nanana izany toe-tsaina izany anefa ilay natao hitarika ny Isiraely. Tsy voafehin'i Arona araka ny tokony ho izy ny vahoaka, ka vao mainka koa nahakirina azy ireo ny tsy fahaizany mitondra. Vetivety foana dia nivadika ho rotaka ny fimonomononana." - PM, ed. 2014, t. 304.

Ahoana no nahatonga an'i Arona halemy toy izany? Tamin'ny fomba ahoana no mety ho niezahan'i Arona nanamarina ny fihetsika mahatsiravina nataony tao am-pony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal