VAVAKA FANELANELANANA
Vakio ny Eks. 32:30-32. Tonga hatraiza ny vavaka fanelanelanana nataon'i Mosesy ho an'ny mpanota?
Noho ny fikomian'izy ireo dia nisy tranga mahatsiravina niseho tao amin'ny tobin'ny Isiraelita, izay nahafatesana olona maro (Eks. 32:28). Ny ampitson'iny dia hoy i Mosesy tamin'ny olona: "Efa nanao fahotana lehibe hianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo." - Eks. 32:30.
"Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'l Jehôvah ka nanao hoe: Indrisy! Efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako." - Eks. 32:31,32.
Tsy mahagaga raha raisin'ny maro ho tandindon'i Kristy i Mosesy! Noho ny vavaka fanelanelanana nataony ho an'ny mpanota sy ny fahavononany hanolotra ny ainy ho azy ireo, dia tsy isalasalana fa naneho taratra izay tian'i Kristy hatao ho antsika rehetra izy. Endrey ny fangoraham-pony ho an'ny mpandika lalàna! Naneho fanoloran-tena tanteraka ho an'ny Tompo izy, ary fitiavana feno fahafoizan-tena ho an'ny hafa. Tsy voalaza ao amin'ny bokin'ny Eksodosy ny faharetan'ny fotoana niarahan'i Mosesy tamin'i Jehôvah teo an-tendrombohitra tamin'io fotoana manokana io, fa ny bokin'ny Deoteronomia no manambara fa teo an-tendrombohitra Sinay nandritra ny 40 andro izy tamin'izay (jereo ny Deo. 9:18).
Ao amin'ny Eksodosy 32:32, ny teny nadika hoe "hamela" dia avy amin'ny matoanteny izay manana hevitra fototra hoe "mitondra" na "milanja", toy ny ao amin'ny Isa 53:4, izay milaza toy izao (momba an'i Jesôsy ) hoe: "nitondra ny aretintsika tokoa Izy". Matoanteny iray ihany ny hoe "Hamela" ao amin'ny Eks. 32:32, sy ny hoe "nitondra" ao amin'ny Isa. 53:4. Fanambarana mazava momba ny fizotry ny famonjena sy ny famelan-keloka ary ny vidiny tsy maintsy naloan'Andriamanitra ho famonjena antsika izany!
Nangataka an'i Jehôvah tokoa i Mosesy mba "hitondra" ny fahotan'ny olona, ary izany indrindra no nataon'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana an'arivony taona taty aoriana. Tsy vitan'ny maneho ny asa fisoloana sy fanavotana fotsiny ny Eks. 32:32, fa maneho koa llay Mpisolo sy Mpanavotra, dia Andriamanitra mihitsy.
Aseho ao amin'io andininy io ny fomba ahazoana ny famelan-keloka. Andriamanitra ao amin'i Kristy no nitondra ny fahotantsika, izay hany fomba ahazoantsika famelan-keloka. Fanehoana mahery vaika ny drafi-pamonjena izany ary fanaporofoana amintsika sy amin'izao tontolo rehetra izao ny tsy maintsy niaretan'Andriamanitra mba hamonjena antsika.
Andriamanitra mihitsy no nangatahin'i Mosesy mba hitondra ny fahotan'ny olona, ary notanterahin' Andriamanitra tao amin'i Jesôsy tokoa izany. Ahoana no fahatakarantsika io fahamarinana mahatalanjona io? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika olombelona lavo?