Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 11 : FIHEMORANA SY FANELANELANANA - Vavaka fanelanelalana

Daty
Alakamisy 11 September 2025

VAVAKA FANELANELANANA

Vakio ny Eks. 32:30-32. Tonga hatraiza ny vavaka fanelanelanana nataon'i Mosesy ho an'ny mpanota? 

Noho ny fikomian'izy ireo dia nisy tranga mahatsiravina niseho tao amin'ny tobin'ny Isiraelita, izay nahafatesana olona maro (Eks. 32:28). Ny ampitson'iny dia hoy i Mosesy tamin'ny olona: "Efa nanao fahotana lehibe hianareo; ary ankehitriny, dia hiakatra ho amin'i Jehovah aho, fa angamba hahazo manao fanavotana ny amin'ny fahotanareo." - Eks. 32:30.

"Ary Mosesy dia niverina ho ao amin'l Jehôvah ka nanao hoe: Indrisy! Efa nanao fahotana lehibe ity firenena ity ka efa nanao andriamani-bolamena ho azy. Ary ankehitriny, enga anie ka hamela ny fahotany Hianao! Fa raha tsy izany, mifona aminao aho, vonoy eo amin'ny bokinao izay nosoratanao ny anarako." - Eks. 32:31,32.

Tsy mahagaga raha raisin'ny maro ho tandindon'i Kristy i Mosesy! Noho ny vavaka fanelanelanana nataony ho an'ny mpanota sy ny fahavononany hanolotra ny ainy ho azy ireo, dia tsy isalasalana fa naneho taratra izay tian'i Kristy hatao ho antsika rehetra izy. Endrey ny fangoraham-pony ho an'ny mpandika lalàna! Naneho fanoloran-tena tanteraka ho an'ny Tompo izy, ary fitiavana feno fahafoizan-tena ho an'ny hafa. Tsy voalaza ao amin'ny bokin'ny Eksodosy ny faharetan'ny fotoana niarahan'i Mosesy tamin'i Jehôvah teo an-tendrombohitra tamin'io fotoana manokana io, fa ny bokin'ny Deoteronomia no manambara fa teo an-tendrombohitra Sinay nandritra ny 40 andro izy tamin'izay (jereo ny Deo. 9:18).

Ao amin'ny Eksodosy 32:32, ny teny nadika hoe "hamela" dia avy amin'ny matoanteny izay manana hevitra fototra hoe "mitondra" na "milanja", toy ny ao amin'ny Isa 53:4, izay milaza toy izao (momba an'i Jesôsy ) hoe: "nitondra ny aretintsika tokoa Izy". Matoanteny iray ihany ny hoe "Hamela" ao amin'ny Eks. 32:32, sy ny hoe "nitondra" ao amin'ny Isa. 53:4. Fanambarana mazava momba ny fizotry ny famonjena sy ny famelan-keloka ary ny vidiny tsy maintsy naloan'Andriamanitra ho famonjena antsika izany!

Nangataka an'i Jehôvah tokoa i Mosesy mba "hitondra" ny fahotan'ny olona, ary izany indrindra no nataon'Andriamanitra teo amin'ny hazo fijaliana an'arivony taona taty aoriana. Tsy vitan'ny maneho ny asa fisoloana sy fanavotana fotsiny ny Eks. 32:32, fa maneho koa llay  Mpisolo sy Mpanavotra, dia Andriamanitra mihitsy.

Aseho ao amin'io andininy io ny fomba ahazoana ny famelan-keloka. Andriamanitra ao amin'i Kristy no nitondra ny fahotantsika, izay hany fomba ahazoantsika famelan-keloka. Fanehoana mahery vaika ny drafi-pamonjena izany ary fanaporofoana amintsika sy amin'izao tontolo rehetra izao ny tsy maintsy niaretan'Andriamanitra mba hamonjena antsika.

Andriamanitra mihitsy no nangatahin'i Mosesy mba hitondra ny fahotan'ny olona, ary notanterahin' Andriamanitra tao amin'i Jesôsy tokoa izany. Ahoana no fahatakarantsika io fahamarinana mahatalanjona io? Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitiavan'Andriamanitra antsika olombelona lavo?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal