Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana

Daty
Alatsinainy 08 December 2025

FIAMPANGANA...

Vakio ny tantaran'ny niverenan'ireo foko tany amin'ny taniny, ao amin'ny Jos. 22:9-20. Inona ny fiampangana nataon'ireo foko tany andrefan'i Jordana tamin'ireo foko avy any an-dafy atsinanan'i Jordana? Hatraiza ny maha marim-pototra izany fiampagana izany?

Tsy tahaka izay hita ao amin'ny and. 1, izay iantsoana ireo foko any an-dafy atsinanan'i Jordana amin'ny anarana fiantsoana azy (Robenita, Gadita, sns) ny fomba fiteny hafa hita eto: "taranak'i Robena sy Gada" ary "ny antsasaky ny firenen'i Manase." Naseho tamin'izany fa samy hafa amin'ny "zanak'Isiraely" izy ireo (Jos. 22:11).

Ao amin'io tantara io, ny fiteny hoe "ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra" dia manondro ireo foko sivy sy ny antsasaky ny fokon'i Manase izay tany an-dafy andrefan'i Jordana irery ihany; izany no nanasongadina ny elanelana nihanitombo teo amin'ireo vondrona roa ireo. Mipetraka ny fanontaniana ao ambadik'io tantara io raha toa mbola azo heverina ho Isiraelita ihany ireo foko tany atsinanan'ny ony.

Fiafarana mahafinaritra no azo heverina fa nandrandraintsika ho an'ny tantara, kanefa fifandirana no indro niseho rehefa nisy ny tatitra momba ny alitara naorin'ireo foko avy any an-dafy atsinanana ireo teo amoron'i Jordana. Tsy ambaran'ny lahatsoratra eto ny antony nananganana ny alitara ary tsy lazalazainy koa ny hetsika manokana ara-pivavahana mifandraika amin'izany. Vao mainka mitombo ny tsy fahazoana antoka mikasika ilay alitara rehefa dinihintsika ny famerenana ny fitantarana ny fiampitana voalohany an'i Jordana, ao amin'ny toko faha-3 sy faha-4, raha niara-niditra teo an-tsisin'i Jordana ny Isiraelita rehetra mba hita ny rano hankao amin'ny tany Kanana. Ampahany tamin'ny Isiraely eto no nankeo Jordana, saingy niampita niverina kosa izy ireo.

Samy ahitana fananganana alitara ao anatin'ireo tranga roa ireo. Ny voalohany dia natao ho fahatsiarovana, fa ny faharoa kosa toa lehibe no fijery azy. Izao ny fanontaniana tsy azo ialana izay tonga ao an-tsaina: "Inona no anton'ireo vato ireo?" (ampitahao amin'ny Jos. 4:6,22). Moa ve naorina hanaovana fanatitra io alitara io, sa natao ho fahatsiarovana fotsiny ihany? Moa ve manomboka tafalatsaka ao anatin'ny fihemorana ireo foko hafa ireo?

Nanome toerana ho an'ny fifandisoan-kevitra, izay mety hiteraka ady mahatsiravina, ny tsy fifampidinihana tamin'i Josoa sy i Eleazara na ireo mpitarika isam-poko.

Inona no tian'i Jesôsy sy i Paoly hambara amin'ny fananarana antsika tsy hitsara ny hafa? Vakio ny Lio. 6:37sy ny Jao. 7:24 ary ny 1 Kôr. Nahoana no mora tokoa ny manao tsoa-kevitra diso mikasika ny antony mandrisika ny hafa hanao zavatra anankiray?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal