Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 11: NY RAY, NY ZANAKA, ARY NY FANAHY - I Jesôsy sy ny Ray

Daty
Alatsinainy 09 December 2024

Noharian‘Andriamanitra telo izay iray mba hanana fifandraisana manokana Aminy isika (Gen. 1:26,27). Noho ny fisian'ny fahotana anefa dia nikorontana tanteraka izany fifandraisana izany. Hitantsika ao amin'ny tantara niseho tao amin'ny saha Edena ny vokatra mivantana avy amin'izany fikorontanana izany.

Vakio ny Gen. 3:7-9. Ahoana no anehoan'izany ny hantsana nateraky ny fahotana, ary inona no dikan'ny hoe Andriamanitra no nitady azy ireo ta tsy ny mifanohitra amin'izany?

Ny fikasan'Andriamanitra telo izay iray dia ny hanolotra fanasitranana ho an'ny taranak'olombelona rehetra noho ny amin'ny hantsana nateraky ny fahotana, na dia tsy ny olona rehetra aza no handray ny fanomezana atolony.

Tonga olona ny Persona iray ao amin'Andriamanitra telo izay iray mba hahatanteraka ny famerenana amin'ny laoniny izany fifandraisana izany. Noho izany, dia tonga nofo ny Teny ka nonina tamintsika, ary naneho ny voninahitr'Andriamanitra (Jao. 1:14-18). Vokatr'izany, dia nandray ny Fahatanterahany sy ny Fahasoavany ny taranak'olombelona. Ny hizara izany no nahatongavan'i Jesôsy, ny hitory ny voninahitr'Andriamanitra mba hiverina amin'ny laoniny ny fifandraisana izay notapahin'ny fahotana, farafahakeliny amin'ireo rehetra izay manaiky ny handray amin'ny finoana ny fanomezana atolotr'Andriamanitra azy ao amin'i Jesôsy Kristy.

Inona ny fanantenana mahafinaritra hitantsika ao amin'ireto andalan- teny ireto? Jao. 1:1,2; Jao. 5:16-18; Jao. 6:69; Jao. 10:10,30; Jao. 20:28.

"Ao amin'i Kristy no misy fiainana, araka izay niandohany, tsy nindramina, tsy noraisiny avy tamin'ny hafa." IFM, t. 438, ed. 2023. Amin'ny maha-Zanak’Andriamanitra tonga nofo an'i Kristy, izay nanafoana ny tenany (Fil. 2:7) ka tsy nampihatra ny Fahefany rehetra, dia niresaka momba ny fiainany teto an-tany tahaka ny anankiray amin'ny olombelona Izy, ary nanondro ny fiainany ho fanomezana avy amin'Andriamanitra. "Ny maha-Andriamanitra an'i Kristy no antoky ny fiainana mandrakizay ho an'ny mpino." - IFM, t. 438, ed. 2023.

Tsy nahalala an'Andriamanitra ny taranak'olombelona (Jao. 17:25). Noho izany no nanirahany ny Zanany Lahitokana (Jao. 9:4; Jao. 16:5) mba hahalalana Azy Ray.

Izao no nosoratan'ny olona Iray tsy mpino ny fisian'izay mety ho andriamanitra, mahakasika an'izao rehetra izao: "Ao anatin'ny haizina misy antsika, eo anivon'ny fidadasik'izao rehetra izao, dia tsy misy marika mihitsy maneho fa hisy fanampiana avy amin'ny toerana iray hafa ho tonga hamonjy antsika amin'ny tenantsika." Inona no ampianarin'ny Baiboly, izay maneho ny mahadiso hevitra izany lehilahy izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal